Mois : juin 2023

Ramamimampionona Gérard : “Tsy misy antony hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita”

Hatramin’izao, mbola mahabe adihevitra ny fidirana na tsia amin’ny fitondrana Tetezamita. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Misy fitondrana ara-dalàna eo fa hanao fifanarahana fotsiny izao hoe miditra Tetezamita noho ny anton-javatra tena tsy ahafaha-manoatra na zava-mitranga tena sarotra be. Inona no tena anton-javatra amin’izao fotoana izao hifanarahana […]

Fampirantiana saripika: “Fady kambana”, tetikasan’i Christian Sana

Teratany italianina mpaka sary, saingy latsa-pitia hatramin’ny fahakely an’i Mada­gasikara i Christian Sanna. Anisan’ny nanitikitika azy ny mikasika ny “fady kambana”, any amin’ny faritra iray eto Madagasikara. Tetikasa efa tamin’ny 2013 ny ity teraka ity, satria niezaka nanangona ny sarin’ireo kambana i Christian Sanna, nampian’ny fikambanana Tsy manary zaza ary […]

Fidy sy Liva, Boboh Mahavanona… : raikitra ny «Cabaret Country»

Hahazo vahana indray ny tontolon’ny «country» amin’ ny faran’ity herinandro ity. Mpanakanto manana traikefa matanjaka amin’izany no hiray sehatra, etsy amin’ny Le Zoma Antaninandro, rahampitso, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva. «Cabaret country», hiarahana amin’i Boboh Mahavanona, Fidy sy Liva (tarika Tsia­ko­raka), Anna, Haja Country. Nasaina manokana i Parson […]

Volan’ny teny malagasy : mila omena sehatra ny mpikaroka

Isaky ny volana jona, voatsiahy hatrany ny hasin’ny teny malagasy. Maro ny hetsika ho fanamarihana na fankalazana ny volana ho an’ny teny malagasy. hatramin’izao anefa, tsy mbola hita mivaingana loatra ny vokatr’ireny. Antony iray mahatonga izany ny tsy fahazoan’ny mpikaroka sehatra lehibe ahafahany mivelatra. Saika mijanona hatreo amin’ny famoahana boky […]