Tsanta, Ranto ary Titan no mandrafitra ny Ralah’Trio. Tanora mpanakanto mampiaiky an’i Erick Manana ny talentany, ka nahateraka ny tetikasa. Tsy ho ela ny rakikira, ny seho aloha efa raikitra! Maro ny tarika sy ny karazana fiarahana natsangan’i Erick Manana izay. Somary niavaka kokoa tamin’ireo efa nisy kosa ity fiarahany […]
Mois : juin 2023
AGOA : hampiroborobo ny fihariana maharitra
Hampiakatra ny fari-piainana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny firenena amerikanina. Hiteraka asa maro ho an’ny Malagasy sy fidiram-bola ho an’ny tokantrano samihafa ny hetsika “One day, one country”, izay natao ny talata teo, tao amin’ny biraon’ny masoivohon’i Etazonia eny Andranomena. Nampivondrona manam-pahaizana avy amin’ny […]
Fananantany : karatany 4.100 hozaraina ao Antanetibe Mahazaza
Mbola mitohy ny hetsika fizarana karatany ataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany. Omaly, nizara karatany tao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, ny minisitera niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Casef. Tanjona ny hizarana karatany 4.100 ho an’ireo tantsaha any an-toerana. “800.000 ny karatany voazara amin’izao izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. 80% […]
USAID: kaominina 250 voavatsy rano fisotro
Tratra ny tanjona ho an’ny Sampandraraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana (USAID), mikasika ny famatsiana rano fisotro madio. Nahatratra 700.000 ny olona nahazo rano fisotro madio tany amin’ny kaominina miisa 250, nanomboka ny taona 2017, tao anatin’ny tetikasa USAID « Rural access to new opportunities in water santation and hygiene (Rano Wash) ». […]
Minisitra Rabarinirinarison Rindra: « Vahaolana ny fampiroboroboana ny toekarena anatiny »
Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), atao any Egypta, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola malagasy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Naneho hevitra tao amin’ny gazety boky Ecofin ihany koa izy, nivoaka ny 30 mey teo. Tsy vaovao aminy ny fitantanana krizy, efa niasa 12 taona tao […]




