Mois : juin 2023

Matso lehibe: tsy nandray anjara ny Tafika frantsay

Anisan’ny nandrasan’ny mpanatrika sy ny mpanara-baovao ny fahatongavan’ny Tafika frantsay avy any amin’ny FAZOI, omaly, teny Ma­ha­masina. Tsy tonga anefa izy ireo noho ny antony izay tsy nampahafantarina ny mpanatrika. Nilaza ny Jly Andria­ma­simanana William, tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO), fa tokony ho […]

Niova fianjaika !

  Salanitra ry ambanilanitra, indrindra isika mpamaky ny Taratra. 19 taona sy efa-bolana aty aorian’ny nivoahan’ny laharana “aotra”, miova endrika ny gazety. Miova mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny fanoratana. Miezaka ny mpanao gazety sy ny mpitantana, hifampizara vokatra tsara kalitao. Voakasik’izany ny lafin’ny teknika sy ny […]

Fetin’ny fahaleovantena : nampiray fo ny Malagasy !

Tia tanindrazana ny Malagasy ! Tsy nahasakana azy ireo tsy hifety ny resaben’ny mpanao politika. Nizotra tanaty filaminana ny hetsika rehetra manerana ny Nosy. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy. Nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny […]

TSELATRA

Na teo aza ny hafatrafatra nampitain’ireo tomponandraikitra nanao ny fandaminana ka nampizotra tsara, araka ny tokony ho izy, ny fankalazana ny fety, nisy ihany koa ny tandrevaka nataon’ireo ray aman-dreny sasantsany amin’ireo zanany. Tao ireo efa tonga ny mpanaraka naka ireo ankizy niaraka taminy, ao kosa ireo mbola tazonin’ny tomponandraikitra […]

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka… : olona efatra tratra namaky fasana

Soa ihany fa tonga haingana ny polisy! Tratran’ny fokonolona namaky fasana ny jiolahy efatra tao Anosiarivo Manjakandriana, omaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Manjakandriana no na­hasambotra ireto jiolahy ireto. Vantany vao nahita ity trangana vaky fasana sy halatra taolam-paty ity ireo mponina teo amin’ny manodidina dia nampandre haingana ny […]