Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly, teny Faravohitra. Notsikerainy tamin’izany ny fomba fitondrana ankehitriny.
“Mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony eto”, hoy ny filoha mpanorina ny Antoko Tiako i Madagasikara (Tim), Ravalomanana Marc. Nohamafisin’ity filohan’ ny Repoblika teo aloha ity fa tsy mipetraka ny fifampitokisana, tsy misy afa-manao na inona na inona ny rehetra. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny tranga hitany amin’ireny fidinana ifotony, amin’ny fahitana ny fiainan’ny mponina.
“Samy manao ny saim-pantany sisa ary tsy manana tondrozotra fa very tanteraka”, araka ny nambarany. Zara raha mandeha ora roa ny Jirama, ho an’ny any Mahajanga, nandalovany ny herinandro teo. Mifanipaka ny zava-misy sy ny vaovao avy aty an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Tsy mandeha amin’ny laoniny ny serasera, araka ny nambarany hatrany. “Tsy misy vaovao marina sy mitombina ary samy mihevitra ho mpitantana na sefo avokoa ny rehetra. Miaina amin’ny honohono ny vahoaka. Eo koa ny tsy fahalalana sy ny fanabadoana ny hafa…”, hoy ihany izy.
Hiaina krizy
Etsy andaniny, nambarany fa nandray ny masoivohon’i Norvezy ny tenany, ny herinandro teo. Nampanantena ny handrotsaka vola izy ireo raha tena handeha ny fifidianana ary mbola nametraka fepetra maromaro. “Eo ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary ny fahalalahana maneho hevitra…”, hoy izy.
Ankoatra izay, natsidiny fa ho mafy ny hiatrehana ny volana septambra eo. “Hiaina krizy mafy isika manomboka eo fa tsy manam-bola ny fanjakana. Tsy misy azo antenaina intsony amin’izany”, hoy izy.
Synèse R.




