Mois : juillet 2023

Kitra – Fifaninanana afrikanina : tsy handray anjara ny Fosa Jr noho ny lalaon’ny Nosy

Tsy manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ny Malagasy. Tsy afaka miatrika izany ny Fosa Junior FC na ny AS Fanalamanga. Notendrena hanao ny amboaran’i Afrika ny Elgeco Plus. Tohina tanteraka ny rehetra raha nandre ny fa­nambarana nataon’ny klioba Fosa Junior FC Boeny sy ny Federasiona malagasin’ ny […]

Satan’ny hery politika : nanao sonia ny APM sy ny Avi ary ny Fy-M

Nitombo indray ireo antoko politika, nanaiky ny sata fitondran-tena mendrika ho an’ny hery politika. Nanao sonia izany, ny alatsinainy 17 jolay 2023, ny Antoko politika madio (APM), ny Asa vita ifampitsarana (Avi) ary ny Fy-M. Sata izay vokatry ny fikaonandoha sy fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ireo antoko politika misy eto Madagasikara. Manaiky ary […]

Raindahiny amin’ny fakana an-keriny… : lavon’ny zandary tao Ankazobe i Kekely sy i Mara

Maty voatifitry ny zandary tao Ankazobe, afakomaly, ireo dahalo raindahiny roa lahy antsoina hoe i Kekely sy i Mara. Tratra teny amin’izy ireo ny basim-borona sy odiratsy marobe. Voarohirohy ho tompon’ antoka tamina halatra omby sy fakana an-keriny ary vonoan’olona tamin’iny faritra Ankazobe iny ireto ma­laso ireto. Ny 17 jolay […]

Taha fiakaran’ny vidim-piainana : hitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny Instat

Hivahiny ao amin’ny fandaharana “Ambarao”, onjam-peo Alliance 92 FM, anio, ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (Instat). Ho voaresaka amin’izany sy hitondrany valiny ny momba ny fanisana ny mponina farany teo sy ireo taha samihafa eo amin’ny lafiny sosialy. Manampy izany ny momba ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny […]

Governoran’ny Faritra Androy: “Rariny ny anto-bola 200 tapitrisa Ar”

“Rariny sy hitsiny, angamba, io fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana io. Satria tsy kilalaon-jaza ny fifidianana filohan’ny Repoblika.” Io ny fanehoan-kevitry ny governoran’ny Faritra Androy, i Soja Lahimaro, momba ny anto-bola 200 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Antonony amin’izay hirotsa-kofidina io. Matetika, kajikajy politika no manosika ny kandidà sasany mba […]