Mois : juillet 2023

Tezitra mafy ny depiote “Del kely” : “Foano ilay fanadinana polisy farany teo…”

Tsy faly ny depiote Razara Pierre Fidel ,”Del kely”, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ny herinandro teo. Notakiny ny tokony hanadihadiana ny momba ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena. Tsy nitsitsy fitenenana ity depioten’Ambatondrazaka ity. “Avoahy ny marina amin’ireo polisy miisa sivy afaka fanadinana nefa tsy niadina an-tsoratra sy am-bava akory. Foano […]

VAOVAO TAMBATRA

Atao eny Ivato mandritra ny telo andro ny atrikasa andiany faharoa momba ny fanentana sy fampiofanana ireo veterinera amin’ny fanaraha-maso ny aretim-biby sy ny aretim-biby mifindra amin’ny olona. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ireo veterinera ka ahafahan’izy ireo manatanteraka ny fanaraha-maso ny aretin’ny biby. Tafapetraka avokoa ireo […]

Japon- Madagasikara : hatsangana ny tranoben’ny fifanakalozana

Nanomboka omaly ka ha­tramin’ny zoma izao, ny hetsika “Semaine économique de l’AEMAJA” andiany faharoa. Hetsika manome tombony eo amin’ny fifandraisan’ny firenena japoney sy Malagasy, indrindra eo amin’ny sehatry ny toekarena. Misahana sehatra maro eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny Asso­ciation économique Madagas­car Japon (AEMAJA) . Tom­bo­ny ny fifaneraserana, fifanakalozan-kevitra sy traikefa ary […]

Mialoha ny PRE : tombanana ny fari-pitrandrahana

Maro ny toeram-pitrandrahana any amin’ny kaominina, ao anatin’ny faritra 23 notsidihin’ny minisitera foibe sy ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika. Fidinana ifotony tsy maintsy natao, mialoha ny hanavaozana ny fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka madinika (PRE). Nohazavain’ny mpamita iraka ny tena anton-dian’izy ireo. Eo koa ny tombana […]

Sahanala S.A-BEI : 20 tapitrisa euros ho an’ny fambolena sy ny jono

Manohana ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny jono ny Banky eoropeana ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Nisitraka izany ny orinasa tsy miankina Sahanala S.A. Mitentina 20 tapitrisa euros ny fampindramam-bola avy amin’ny Banky eoropenina ho an’ny fampiasam-bola (BEI) ho an’ny orinasa tsy miankina Sa­ha­nala S.A. Hahena ny fiankinan-doha amin’ny […]