10 mianadahy ireo mpianatry ny Akanin’ny marenina (Akama) 67ha niatrika ny fanadinana Bakalorea, nanomboka ny alatsinainy teo. Sokajy A2 avokoa izy ireo. Etsy amin’ny foibem-panadinana CEG Betsimitatatra no hanatanterahan’izy 10 mianadahy ny fanadinana. Adika amin’ny teny tanana avokoa ny laza adina rehefa voazara. Mahatratra 24 707 ireo tanora miatrika ny […]
Mois : juillet 2023
Building eny Ivato: efa akaiky ny fisarihana ireo tsara vintana
Efa tsindrindaona ireo rehetra nisoratra anarana hisitraka ny building eny Ivato. Fantatra fa efa tsy ho ela izany satria efa ho vita ny asa. Mamarana ny asa fanamboarana ny atiny sy ny ivelan’ny trano ny mpandraharaha miandraikitra izany amin’izao fotoana. Ho vita ao anatin’ny iray volana ny asa, raha ny […]
Bakalorea Toamasina : niaritra ora-mikija ny mpiadina
Tao anatin’ny ora-mikija sy rivotra mifofo mangatsiaka no nivoahan’ny mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana ho an’ny tanànan’ i Toamasina, ny alatsinainy teo. 13 taona ny mpiadina zandriny indrindra, mpiadina ao Mananara Avaratra “option L”. 63 taona kosa ny zokiny indrindra “Option S” ao Moramanga. Tetsy amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara no nanatanterahana […]
Seces Antananarivo : Oniversite maty mandritra ny 3 andro
Tapitra ny fampitandremana, miditra amin’ny « oniversite maty » ny Seces. Henjan-droa ny tady eo amin’ny Seces sy ny fanjakana. Mitebiteby ny mpianatra. Taorian’ny fihaonamben’ ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ao anatin’ny Seces Antananarivo, omaly, teny Ankatso dia nanapakevitra izy ireo ny hiditra amin’ny «oniversite maty» mandritra ny telo andro. Mihatra manomboka […]
TARATRY ny KANTO
Hisehatra eny amin’ny Lycée NDA Mahitsy i Lôla sy ny tariny. Hotontosaina ny alahady 23 jolay izao io seho io, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Mazava loatra fa tafiditra anatin’ny hetsika vita Bacc ny seho. Hamerina ireo hirany rehetra taloha, na milamina na mihetsika i Lôla. Hiampy ireo hira […]




