“Ho anay antoko HVM, tsy mila avilivily intsony izany fa hijery isika afaka volana vitsivitsy. Enga anie mba hijoro ireo tomponandraikitra mahefa amin’ny fijerena ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety ka nanazavany ny amin’izay fananany […]
Mois : juillet 2023
Fa(ha)matorana politika
200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Mahabe resaka, adihevitra… Mandeha ny hoe tsy kitsapatsapa ny fifidianana. Mila fahamatorana politika izany. Miainga amin’ny antoko na vondrona politika io. Mba tsy olona iray no andeha hianto-tena. Izay hatramin’izay? Mpanam-bola iray, ohatra, no manorina antoko. Lasa filoha ho azy. […]
Filohan’ny Antenimierandoholona : “Atsaharo ny adihevitra tsy mampandroso…”
Nitondra ny heviny taorian’ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety, ny alahady teo, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Nambarany fa efa mazava avokoa ireny fanazavana ireny. «Aoka atsahatra amin’izay ny adihevitra tsy mampandroso sy ireo niteraka resabe farany teo ireny. Efa feno tanteraka sy mazava ny nambaran’ny filoha ka aleo […]
TSELATRA
Nidoboka am-ponja ny jiolahy raindahiny mpamaky trano sy fisoko teny Ambohimanambola, afakomaly. Nangalatra akoholahy mpiady 10, ny alin’ny 28 hifoha 29 jona teo izy. Tsikaritry ny manodidina anefa ny famarotany ireo biby ka nisy nampandre ny zandary. Voasambotra ny 15 jolay teo ity mpangalatra sady efa mpamerin-keloka ity. Fiara iray […]
Ambohimanarina: orinasa mpandoko moto, nirehitra
May tsy nisy noraisina ny orinasa iray tetsy Ambodivonkely, Ambohimanarina, omaly maraina. Tao anatin’ny minitra vitsy, nivadika ho lavenona ny fitaovam-pandokoana mitentina an-tapitrisany. “Ahiana ho fifampikasohana tariby mitondra herinaratra no nitarika ny firehetana”, hoy i Njara, tomponandraikitra lefitra eo anivon’ity orinasa mpandoko moto ity. Vao maraina, nidona-tsetroka ny trano. Nifamonjen’ […]




