Efa naparitaka any amin’ireo etamazaoro politika, tato ho ato, ilay drafitra miendrika Tetezamita “Gouvernement d’entente nationale intermédiaire pour les élections” (Genie). Ny fifidianana handeha… Miala any koa anefa ny “Geni” efa novoizin’ny depiote isany, Razafimanantsoa Hanitra sy i Johasy Eléonore. Eo koa Ramanantsoa Herivelona sy Rakotovazaha Olivier. Ny minisitra teo […]
Mois : juillet 2023
Sombim-baovao
Lalaon’ny «Francophonie 2023». Ailik’ireo minisitera roa, Kolontsaina sy Fanatanjahatena ny fiantohana ireo mpanao Freestyle amin’ny taranja baolina kitra. Tsy fantatr’izy ireo ny minisitra mpiahy azy ireo. Marihina fa ny “Jeux de la Francophonie”, atao any Kinshasha, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Hery Bastien, mpilalao Barea, nahazo […]
Taorian’ny fanambaran’ny Filoha : namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka karate hanao ny JIOI ny federasiona
Nambaran-dRajoelina Andry, filoham-pirenena malagasy fa misy ary afaka mandray tsara ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, i Madagasikara. Taorian’io, namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka, Karateka, hanao ny fifaninanana ny federasiona FKM. “Ataontsika avo folo heny noho ny tany Maurice ny hatsaran’ny lalaon’ny Nosy eto amintsika”, hoy ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady […]
« Festival Alefa Parkour »: hiavaka ny andiany faharoa
Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 jolay izao, etsy amin’ny Parvis Analakely, ny fifaninanam-pirenena Festival “Alefa Parkour”, andiany faharoa. Hiavaka tanteraka ny hetsika amin’ity andiany ity, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity ohatra, ny salan-taonan’ny mpifaninana, izay hisy ny sokajy zandriny, 8 hatramin’ny 14 taona. Toy ny tamin’ny taon-dasa, […]
Kitra – Lalaon’ny Nosy 2023 : hanao « match amical » amin’i Mayotte sy i Kenya ny Barea
Ho feno tanteraka manomboka anio, ireo mpilalaon’ny Barea, hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Hivondrona miaraka izy ireo ary hanao lalao ara-pirahalahiana maromaro. Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy sy fiatrehana ny andro farany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023, hosedraina amin’ny ekipam-pirenena Mahorais sy Kenianina ny Barean’i Madagasikara, […]




