Mazava ny zava-drehetra, namoaka ny datim-pifidianana ofisialy ny governemanta, omaly. Ny fanomanana rahateo efa miroso tsikelikely na dia tsy mifanaraka aza ny vola nangatahan’ny Ceni sy ny azo, hoenti-miasa. Ny zava-dehibe! To ny fanirian’ny Malagasy maro anisa, tsy mankasitraka ny fitarozahan’ny raharaham-pirenena sy ny fivoizana Tetezamita. Niarahan’ny rehetra nahita […]
Mois : juillet 2023
Fanapahankevitry ny governemanta : hatao ny alakamisy 9 novambra ny fifidianana filoham-pirenena
Nohamafisin’ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni. Hotanterahana ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena . Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo fa manamafy ny maha firenena mandala ny demokrasia sy mametraka ho tany tan-dalàna an’i Madagasikara ny firosoana amin’ny fifidianana. “Anisan’ny mahatonga antsika ho tafiditra amin’ireo […]
Ambohitsaratelo – Fiaferana : nizerianina tratra teo am-pihanihana tambohon’olona
Noraisim-potsiny! Teratany nizerianina, 21 taona, no tratran’ny fokonolona nihanika tambohon’olona iray, teny amin’ny vohitra Ambohitsaratelo, fokontany Ambonimanandriana , kaominina ambanivohitr’i Fiaferana, afakomaly alina tamin’ny 10 ora. Nisy olona nampandre ny zandary mikasika ny tranga. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tsy lasa lavitra ny tanàna. Nofatoran’ny olona avy hatrany izy mandra-pahatongan’ny zandary. […]
TSELATRA
Tratran’ny zandary teny Andravoahangy ny lehilahy iray milaza fa pasitera nivadika ho nanao asan-jiolahy. Mianjaika sy mitondra Baiboly izy rehefa hanao ny asa ratsiny. Nitory teny tamina mpivarotra akoho, henan’omby sy henan-kisoa. Vita ny toriteny, angalany entana ny lasibany. Omeny laharana finday tsy misy, rehefa azony ny entana. Manjavona izy! […]
Fanafihana teny Itaosy: mpamongady very 10 tapitrisa Ariary
Voatafika tamin’ny atoandrobenanahary, omaly, ny mpamongady iray. Nirefotra ny basy teny Itaosy Cité. Noraofin’ny jiolahy tanaty harona plastika ny volabe 10 tapitrisa Ariary. Nirefotra ny basy! Norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 10 tapitrisa Ar tetsy Antanetibe, Itaosy Cité, kaominina Ambohidrapeto, omaly. Tamin’ny 12 ora sy 45 minitra, tonga […]




