Mois : juillet 2023

Rugby : ankizy 5 mianadahy lasa any Frantsa

3 volana tsy hanombohan’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja rugby, tanterahina any Frantsa. Mialoha izany fihaonana goavana izany, kilonga Malagasy 5 mianadahy avy amin’ny fikambanan’ny rugby Analamanga, Amoron’i Mania ary Boeny no nanainga nihazo ity firenena hanatontosana ny lalao ity, ny alahady lasa teo. Handray anjara amin’ilay tetikasa iraisam-pirenena «Village […]

Fanomanana ny JIOI 2023 : Sinoa manampahaizana 6 hanofana ny atleta malagasy

Ho fanohizana ny fiofanana nataon’ny atleta malagasy tany Chine, tonga eto Madagasikara ireo Sinoa manampahaizana 6 mianadahy. Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatan­jahantena, Resampa Andre Haja, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ireo sinoa manampahaizana 6 mianadahy hanome fiofanana ny atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023. Taranjam-panatanjahantena […]

TARATRY ny KANTO

Hiverina ny “Tafan-glita”. Tetikasa iray, nampiarahana ireo kalaza amin’ny tendry gitara amin’izao fotoana, ahitana an’i Mbola Talenta, Jovin, Nini Kolibera ary i Hoby. Lasa anaran’ny tarika mihitsy taty aoriana izany. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Piment Café Behoririka ry zalahy ny zoma izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny tafasiry eny […]

Handeha voalohany ny sabotsy izao… : maneho ny fototry ny fihavanana Malagasy ny “Nampoina”

Herintaona sy tapany no namolavolana azy… Betsaka ireo miandry mafy ny hivoa­han’ilay sarimihetsika “Nam­poina, ny riaka no valampariako”, nosoratan’ny Profesora Ranjeva Raymond ary notontosain-dRandrianierenana Henri. Handeha voalohany eto Madagasikara ity sarimihetsika ity, ny 15 jolay izao, ao amin’ny Canal Olympia Ando­hatapenaka. Mahay ampahany amin’ny tantaran’Andrianampoinimerina avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. “Ampahany” […]