Taorian’ny tetsy Ambodivona, Tana Water Front, ny 25 jona teo, manome fotoana ireo mpankafy azy indray ny 4-Maso. Hisy ny seho “4-Maso Team Kalo A Capella”, ny asabotsy 15 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. A Capella amin’ny endriny maro, gadona maroloko ary amin’ny […]
Mois : juillet 2023
Raha omena lanja : mahavelona ny fampianarana zavakanto
Nokobonin’ny tsirairay ny fahaizana zavakanto hatramin’izay. Tsy nanome vahana azy io rahateo ny rafitra nisy. Niova izany, ankehitriny, ka nanjary fameloman-tena ny fampianarana azy. Ho an’ny mozika, sandaina 15 000ar (sarany ambany indrindra) ny mianatra mitendry na mitsoka na mikapoka zavamaneno ao anatin’ny ora iray. Mety ho tafakatra hatrany amin’ny […]
Toamasina : jiolahy 157 voatifitry ny polisy
Maro ny taratasin’ady miakatra ao amin’ny fitsarana Toamasina. Misy anefa ireo tena mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny manaraka azy. Ny 18 avrily teo, nivoaka ny ordonnance laharana faha-047-CC/CA/ TOA/23, avy amin’ny filohan’ny fitsarana voalohany eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina, Razafiarison Hery Harizandry, izay misahana ny ady heloka bevava sy ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hiditra an-tsehatra amin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM, tanterahina eny amin’ny FLM Ambatovinaky, anio ireo mpanao politika. Anisan’ireo hakana hevitra amin’ny raharaham-pirenena izy ireo sy ny fiarahamonim-pirenena eo amin’ny sosialy, fihariana sy toekarena ary koa ny politika. Nambaran’ny loholona Ramanambitana Richard, teny Anosy, omaly, fa adihevitra mivilana ny momba ny fizakan’ny filohan’ny […]
Fivoahan’ny datim-pifidianana : mbola nametraka fepetra ny mpamatsy vola
Mbola ampahany ihany ! Anisan’ny fepetra notakin’ny mpiara-miombon’antoka amintsika ahafahana miroso amin’ny fifidianana ny famoahan’ny fanjakana ny datim-pifidianana. Efa nampahafantarina, omaly, izany. Mbola maromaro ny teboka hafa ilan’ny vahiny sy mbola anarahany maso ny zotran’izany. Antoka ahazoana fanampiana eo amin’ny vola izany na mbola mijanona ho fampanantenana fotsiny ihany aza ilay […]




