Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, tetsy Ambodivona , omaly, fa dingana lehibe ny fahavitan’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy nanenjika isa fotsiny fa nandrafitra lisitra madio sy azo antoka izy ireo. “Nisy ny fitsirihan’ireo manampahaizana avy eto an-toerana sy avy amin’ny Frankofonia (OIF) ary samy nanamafy fa azo […]
Mois : juillet 2023
Velirano mitaky andraikitra
Anisan’ny trangam-piarahamonina mampiteny ny tsy mahay miteny ny resaka tsy fandriampahalemana, ankehitriny. Miseholany ny endrika fandikan-dalàna etsy sy eroa. Mahazo vahana ny asa ratsy manomboka amin’ny hala-boty, hatramin’ny vono olona, ny fisolokiana avo lenta. Tsy hita izay ambara fa samy miraviravy tanana daholo ny olon-drehetra. Tsy mahagaga, firifiry ny […]
Fifidianana : miantso ny filoha Rajoelina ho kandidà ny antoko Maitso
Nanatanteraka kongresy nasionaly tetsy By Pass ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara. Nivoitra tamin’ny fehin-kevitra ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Miiantso ny filoha Rajoelina izahay mba hirotsaka hofidiana filoham-pirenena indray”, hoy ny filoha nasionaly, Alexandre Georget, tamin’ny lahateny famaranana, ny kongresin’ny antoko. Nohitsin’ity antoko mpanohana ny fitondrana ity fa resy […]
TSELATRA
Teny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ny lohany, nihantona teny amin’ny toerana avo anaty kirihitra ny vatan’ny zazalahy iray, tetsy Anosy, omaly maraina. Mpandalo no nahita ny lohan’ny zaza. Hatairana, nitangorona vetivety teo ireo manodidina. Efa potika ilay vatana mangatsiakan’ny zaza rehefa nozahana. Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray voadonan’ny fiara […]
Ambolokandrina : Jiolahy tratra teo am-pamelomana moto anaty garazy
Nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, afakomaly misasakalina, teny Ambolokandrina, ny jiolahy raindahiny amina halatra. Voarohirohy ho nangalatra tao amina garazy iray eny an-toerana izy. Roa lahy izy ireo no niditra tao amin’ity garazy fitoerana moto an’olona iray mipetraka eny Ambolokandrina ity. Henon’ny tompon-trano anefa izy roa […]




