Mois : juillet 2023

Vaovao tambatra

Mihoatra ny 5.000 Ar ny sanda ivarotana ny euro eo amin’ny tsenam-bola. Ho an’ny orinasa ara-bola tsy miankina iray, vidiany 4.500 Ar ny 1 euro, ary 5.150 Ar no ivarotany azy. Ho an’ny banky foiben’i Madagasikara, misanda 4.887 Ar ny 1 euro, omaly, raha 4.511 Ar ny 1 dolara. Tohanan’Ambatovy […]

60 taona; tsy miova ny fanambin’ny Tahirimbolam-panjakana

Natao ny 1 sy 2 ary ny 3 jolay teo, ny fankazalana ny faha-60 taona ny Tahirim­bolam-panjakana. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-ko­lon­tsaina ny andro roa voalohany, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Teny amin’ny CCI Ivato kosa ny andro fahatelo, « Andron’ny Tahirim­bo­lam-panjakana ». Notolora­na mariboninahitra ny mpiasa ma­nerana ny Nosy amperinasa sy ny […]

Anivorano Antsiranana: ho voavaha afaka 2 volana ny olan’ny rano

Mitsidika any amin’ny faritra Diana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ny faran’ny herinandro teo. Nokarohina ny vaha­olan’ny tsy fahampian-drano. Tsy ampy ny famatsiana rano fisotro ! Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny rano any Antsiranana. Notsidihin’ny minisitry ny Rano (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ireo fokontany […]

TARATRY ny KANTO

Omaly, tamin’ny 4 ora maraina no nipoaka ny basy, fanairana ireo mpianjaka na mpiloloha ny efa-dahy manan-kasina amin’izao fitampoha izao. Vahoaka maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nanatrika izany fanompoambe na fitampoha izany, tao amin’ny Doany Miarinarivo. Fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rebika, atao ny zoma 7 jolay 2023, no hamaranana […]

Fihaonana, seho, fifaninanana… : hivelatra noho ny teo aloha ny « Evasion danse II »

Anisan’ny fanomezan-danja ny dihy sy ny asa famoronana momba izany ny fanatanterahana ny « Festival international de danse de création ». Nohatevenina ny fandaharam-potoana ho an’ny andiany faharoa. Hosokafana, anio, ny «Festival international de danse de création». Hivelatra sy hahazo sehatra lehibe kokoa raha oharina amin’ny teo aloha ity andiany […]