Nikasa hanao fikaonandoha tao amin’ny ISTS, eny Mandriamena, ireo kandidà sy ireo depiote maromaro, eo anivon’ny “Hetsiky ny olom-pirenena, Madagasikara tsy entin’ny vahiny”, omaly. Efa niatrana teny amin’ny vavahadin’ity foiben-dry Masera ity ny Emmo/Reg. Nosakanan’izy ireo tsy hiditra tao ireo kandidà. Nambaran’ny solontenan’izy ireo, Rajaonarimampianina Hery fa hivory ao ny “Hetsiky ny olom-pirenena, Madagasikara tsy entin’ny vahiny“. Voalazan’ireo Emmo/Reg anefa fa efa misy mpianatra mianatra ao. Nambaran’ireo mpanohitra anefa fa efa nahazo alalana tamin’ny tompon’ny toerana izy ireo. “Misy mpanao politika, mivory tsy misy mpanakana koa eny Ivato, miaraka amin’ny fiaram-panjakana nefa tsy misy manakana“, hoy izy. Miseho ny mizana tsindrian’ila. Tsy voahaja ny fahafahana miteny sy maneho hevitra. “Tokony ho modely ny mpitondra… “, hoy ihany izy. Nanteriny fa hanahirana ny ahitana filaminana sy fitoniana raha izao toe-draharaha izao.
Tsiahivina fa efa nifanosika sy nifanazava teo am-bahavady ireo depiote sy ny avy amin’ny Emmo/Reg. Nampahatsiahy ny naotin’ny minisiteran’ny Atitany izy ireo. “Omeo ny taratasy na koa ny baiko milaza fa tsy mahazo mamory olona anaty toerana mifefy izahay…”, hoy izy ireo. Nantsoin’ny depiote an-telefaonina koa ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, saingy tsy nandray izany. Nirava ny rehetra avy eo.
Synèse R.




