Mois : septembre 2023

Akanin’ny zaza kamboty : notolorana fitaovam-pianarana

Nitondra fitaovam-pianarana ho an’ny akany fitaizana zaza kamboty sahanin’ny Zandarimariam-pirenena eny Arivoni­mamo ny masoivoho amerikanina, omaly. Tonga mivantana ny mpanolotsaina voalohany, Stephanie Arnold, sy ny ekipan’ity masoivoho ity. Miisa 80 izy ireo no notolorana fitaovana hiatrehana ny taom-pianarana. Ho fanomezam-boninahitra ireo zandary namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany, nisolo […]

Fiompiana bibikely : azo ahodina ho sakafon’olombelona sy biby fiompy

Seha-pihariana tsy mbola tena be mpahafantatra kanefa azo trandrahina ny famokarana ireo karazana bibikely (insectes) ho tonga sakafon’ny olombelona sy ny biby fiompy. Manankarena proteina izy ireny. Tanterahina eny Tanjom­bato, ny 23 septambra izao, mandritra ny « Foara iraisam-pirenen’ny fambo­lena » (FIA), ny fihaonambe iresahana mikasika ireo karazana bibikely azo avadika ho […]

Tsenaben’ny tantsaha: hiompana amin’ny famokarana mitodika amin’ny tsena

Hotontosaina ny 28, 29,30 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra izao ny tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, andiany faha-15, “Foire de l’élevage, de la pêche et de l’agriculture, FEPA”. He­tsika karakarain’ny Malagasy professionnels de l’élevage (MPE) etsy Nanisana. Hison­gadina mandritra ireo fotoana ireo ny vokatr’ireo seha-pihariana ireo sy […]

Taom-piotazana jirofo: maherin’ny 4 000 t ny vokatra

Nisokatra nanomboka omaly ny taom-piotazana jirofo ho an’ny taona 2023-2024. Nisy ny lamina napetraka sy atri­kasa niarahana tamin’ireo tomponandraikitra sy avy ao amin’ny distirkan’i Vangaindrano, ny herinandro lasa teo. « Vinavinaina ho tsara ny vokatra jirofo amin’ity taom-piotazana ity satria maherin’ny 4.000 t izany. Vokatra tsara kalitao sy afaka miatrika ny […]