Tandindonin-doza ny sehatry ny asa, manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Noho ny tsy fifankahazoan-kevitra sy disadisa eo amin’ny samy mpanao politika, mpifanandrina, hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izany, raha ny fanambaran’ny Syndicat Autonome eo anivon’ny Kaominina Antanananivo Renivohitra (SACUA), tetsy Antanimena, omaly. « Miantso fifampiresahana eo amin’ireo mpilatsa-kofidina, hahatongavana amin’ny […]
Mois : septembre 2023
Rafidimanana Désiré : « Matahotra an-dRajoelina Andry ireo kandidà 11 »
“Fahatahorana ny filoha teo aloha no mahatonga ireo kandidà hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena mitambatra amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny Antoko miandrandra ny hoavy (THM), Rafidimanana Désiré, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo. Nilaza izy fa fanakorontanana saim-bahoaka mba tsy hisian’ny fifidianana sy hidirana anatin’ny Tetezamita eto amin’ny firenena ny […]
Filoha mpisolo toerana : manamafy ny fitakiana ireo firaisamonim-pirenena 41
Manoloana ny zava-misy mahakasika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, nanao fanairana ny Rohy sy ireo fikambanana samihafa. Namerina ny antso avo ho an’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) indray ireo firaisamonim-pirenena 41, teny Ambatonakanga, omaly 18 septambra. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo, tokony miverina amin’ny fanapahan-keviny ny HCC. Mametraka ny […]
INDRAY MIJERY
Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro eto Madagasikara, ato anatin’ny telo andro ho avy ankoatra ny faritra vitsivitsy manodidina ny afovoany atsinanan’ny Nosy. Mila malina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy satria hahery ny ranomasina noho ny alon-drano avy atsimo andrefana. Natao […]
Ady amin’ny homamiadana: hisy fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy
Miara-miasa ny Fondation Akbaraly sy ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety amin’ ny fanamarihana ny “Volana iadiana amin’ny homamiadan’ny nono”, amin’ny volana oktobra ho avy izao. Misy ny hetsika iarahan’ny roa tonta ka manokatra izany ny fitiliana. Natokana ho an’ny vehivavy ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza hatao maimaimpoana eny amin’ny […]




