Hampifandray ny tanora sy ny orinasa mpanodim-bokatra ary ireo mpiantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny « Foire internationale de l’agriculture ». Miandrandra fifanaraham-piaraha-miasa ireo mpandray anjara rehetra. Hetsika anisan’ny andrasan’ny maro ny « Foire internationale de l’agriculture » (FIA), noho izy manokatra varavarana samihafa fa indrindra ny fampananan’asa […]
Mois : septembre 2023
Fizahantany: ivon’ny fampandrosoana ny toekarena manga
Seha-pihariana mifandray sy mifanampy amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasiakara ny fizahantany sy ny toekarena manga. Miteraka asa, mampidi-bola ary mampahafantatra kolontsaina sy asa tanana maro eo anivon’ny fiarahamonina mipetraka amorontsiraka ny fizahantany. Araka izany, nanamafy ny fiaraha-miasany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, omaly. Nisy […]
Arolozan’ny fifamoivoizana: voarara ny mampiasa jiro mahajambena
Mandrara ny fampiasana jiro tsy ara-dalàna amin’ny fiarakodia sy amin’ny fiara kodiaran-droa na telo misy maotera na tsia ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Misy ny naoty nivoaka mandrara ny fampiasana jiro mahajambena sy rendrarendra amin’ny fiarakodia manerana ny Nosy mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Misy, hoy izy, ny […]
Fiahiahiana kolikoly tany Londres: naverina any am-ponja i Andrianarisoa Romy Voos
Naverina any am-ponja ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ny Prezidansa, Andrianarisoa Romy Voos. Niakatra fitsarana tao Londres, omaly ny raharaha ary mbola hiverina hotsaraina ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy. Nanda sy tsy niaiky ny fiampangana azy hatramin’ny farany ity tomponandraikitra teo aloha eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ity […]
Firotsahan-kofidina: nisintaka tsy ho kandidà koa Ratsiraka Annick
Niala an-daharana tsy ho mpifaninana amin’ny fifidianana ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Nambarany fa noho ny feon’ny fieritreretana no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. “Tsy voahaja ny fiandrianam-pirenena ary voahitsakitsaka ny soatoavina Repoblikanina. Voahosihosy ny vahoaka“, hoy ny eo anivon’ny antoko Arema. Notsiahiviny fa tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitr’izy ireo izao […]




