Mois : septembre 2023

Fanafarana menaka: afaka amidy hatrany amin’ny 6  000 Ar ny litatra

Nanao tatitra ny fivoaran’ny rahararaha mikasika ny fanafarana menaka ataon’ny orinasa DMC indray omaly, ny mpisolovava, Ramaroson Tantely sy Ravonjiarivelo Victorine ary Andriamparanirina Fanaja, tetsy Ampahibe . Eny amin’ny fitsarana fandravana ny raharaha amin’izao fotoana. Miaina am-pitaintainana ny olona arovan’izy ireo noho ny antony maro. Afaka mivarotra menaka hatramin’ny 6 […]

Tsena Coum 67ha: “Tokony halana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna”

Vita ny fotodrafitrasan’ny tsenan’ny Coum 67ha  nasiam-panavaozana. Efa niverina nivarotra ao an-toerana ireo mpivarotra 2 200 mahery, nafindra vonjimaika teny Andohatapenaka. Misedra olana goavana anefa ireto mpivarotra ao anaty tsena ireto noho ny fisian’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mibahana sy manelingelina ny fidiran’ny mpividy ao an-tsena. Mijanona any ivelany avokoa ireo […]

MUSEA: olona 2 000 efa nisitraka ny fandaharanasa amerikanina

Tanjon’ny fikambanana MUSEA ny hampita ny soatoavina amin’ny tanora malagasy : fanetren-tena, fahitsiana, tamberin’andraikitra ho an’ireo izay vonona hisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina.     2 000 eo ho eo ireo olona nisitraka ny fandaharanasa natolotry ny governemanta amerikana, mivondrona anatin’ny “Madagascar-United States Exchange Alumni (MUSEA)”, tohanan’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro. […]

15 Taona aty aoriana: tafaverina indray ny « Revy vazo miteny »

Tanterahina rahampitso tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana  « Revy sy vazo miteny ». Ireo Malagasy kintan’ny vazo miteny, Princio sy Rah Ckiky ary Samoela no hifandimby hampifaly ireo mpankafy vazo, mandritra ity fampisehoana ity. Hampiavaka izany ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto. Vonona ny rehetra hanome ny tsara indrindra, mendrika ny mpankafy vazo miteny, […]

Kolontsaina sy serasera: misokatra ho an’ny rehetra ny Mozean’ny haino vaky jery

Toerana iray ahafahana mitaratra sy mamantatra ny lalana nodiavin’ny haino vaky jery teto Madagasikara ny eny amin’ny Havoria Anosy. “Hamela mamy ho an’ny taninjanaka”. Fanatanterahana io vinan’ny filoham-pirenena io no anisan’ny antony nananganana izao fotodrafitrasa izao. Tontosa omaly, teny Anosy, ny fitokanana ny Havoria: “Auditorium” sy mozean’ny haino vaky jery […]