Mois : septembre 2023

IDC.CDI aty Afrika: voafidy ho filoha lefitra  A. Hajo

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tany Cap-Vert, ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny « Internationale Démocrate Centriste – IDC.CDI”. Nitarika izany ny filohany, i  Andrés Pastrana. Anisan’ny tafiditra amin’ny fihaonana ny momba ny fifidianana ka voafidy ho filoha lefitry ny IDC.CDI  aty Afrika, ny kandidà ho filoham-pirenena, Andrianainarivelo Hajo. Tsiahivina fa […]

Dr Manitra Rakotoarivony: « Takaitra mandra-pahafaty ny aretina lefakozatra »

« Tokony ho fantatsika fa tsy ny zaza ihany no mety ho voan’ny aretina lefakozatra fa na ny  olon-dehibe  koa aza. Misy karazany ny aretina lefakozatra izay mitovy amin’ny coronavirus ihany. Misy olona salama mandehandeha nefa mitondra sy manaparitaka ilay aretina », hoy ny fanazavan’ny Dokotera Manitra Rakotoarivony avy ao amin’ny minisiteran’ny […]

Seces nasionaly: tsy mbola ho vita ny taom-pianarana 2022-2023

Mirazotra amin’ny hairanty ho fampahafantarana ny lalam-piofanana rehetra, anatin’ny fakiolte eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny fitohizan’ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, anatin’ny sendikà ivondronany. Nitondra teny ny sekretera jeneralin’ny Seces nasionaly, ny profesora Rasolomampiandry Gilbert, araka ny tapaky ny fivoriambe ara-potoana. Nanamafy izy fa tsy ho tontosa amin’ity taona […]

Fampianarana teny anglisy: hanampy hampianatra eny amin’ny oniversite ny profesora Robert Emigh

Manana tombony ny oniversiten’Antananarivo amin’ny fandalovan’ny manam-pahaizana manokana momba ny teny anglisy izay manamafy ny fampianarana ao an-toerana dia i Robert Emigh. Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina omaly, ny fiverenan’ny profesora Robert Emigh eto Madagasikara indray, hanamafy ny fampianarana teny anglisy eny amin’ny oniversite. Hisantatra ny taona faharoa amin’ny maha English Language […]

CUA-Hetsika manakaiky vahoaka: olona 400 nizaha fahasalamana teny Avaradoha

Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny mponina eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina. Nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny omaly, nisitraka izany ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Avaradoha, anatin’ny boriborintany fahatelo. Nahitana ireo tolotra toy ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny; fitiliana diabeta; […]