WHH: miara-miasa amin’ny BNGRC sy ny Météo

Natao Sonia, omaly, teny Antanimena, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Welthungerhilfe (WHH) sy ny BNGRC ary ny Foibe famantarana ny toetr’andro amin’ny fanamafisana tetikasa momba ny asa an-tsoroka mialoha efa natomboka ny taona 2018. “Fifanarahana fototra manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ary ny tan­tsoroka amin’ny mpisehatra mpiray ombon’antoka hatramin’ny taona 2023 no notanterahina”, hoy ny tomponandraikitry ny sahanasa sy ny asa an-tsoroka ao amin’ny WHH, Rainimanan­janahary Julio.
Mifototra amin’ny zavatra telo ny fiaraha-miasa. Noje­rena ny zavatra efa tafapetraka sy mbola mila hamafisina ho an’ny asa an-tsoroka mialoha. Hanamafisana ny tantsoroka amin’ny fandrindrana miaraka amin’ny BNGRC hanaraka ny lamina ny mpisehatra rehetra eny ifotony momba ny maha olona. Faharoa, hatolotry ny WHH ny fanjankana amin’ny alalan’ny BNGRC sy ny foibe famantarana ny toetr’andro ny rafitra niarahana nametraka hitohizan’ny asa nanomboka ny taona 2018 no ho mankaty. Farany, miatrika ny fiomanana amin’ny El nino ny mpisehatra rehetra satria vinavinaina fa misy olona 3 tapitrisa mahery mety hotratran’ny tsy fahampian-tsakafo manomboka ity volana oktobra ity hatramin’ny volana febroary 2026. Andraikitry ny WHH ny manamafy ny rafitra mety ahafahana misoroka ny tranga tsy fanjarian-tsakafo vokatry ny fiovan’ny toetr’andro.
Niaina tao anaty fanadihadiana sy fandinihana nijery ny fomba hametrahana ny asa an-tsoroka mialoha, nandritra ny valo taona ny teknisianina. Nojerena ny fiantraikany amin’ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka manolona ny loza.

Vonjy

Partager sur: