Freedom Festival 250: nitondra nofinofy goavana ho an’ny mpianatr’Ankatso

Fahafahana, fahalalana, nofinofy, fandraisan’andraikitra… Nifoha tao anatin’ireo mpianatry ny oniversiten’ Antananarivo ireo nandritra ny hetsika « Freedom Festival » teny an-toerana.

Nahasarika mpianatra maro ny hetsika «Ame­rican Spaces Freedom Festival» teny amin’ny Espla­nade Oniversiten’Anta­nana­rivo, omaly. Niarahana tamin’ny American Corner Antana­narivo ny fampirantiana marolafy mahakasika an’i Etazonia.
Ny mpanolotsaina misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho amerikanina, Ryan Peseckas, sy ny filoha lefitry ny Oniver­site misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny profesora Nantenaina Ratovoson, no nanokatra ny hetsika.
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-250 taonan’i Etazonia sy 160 taonan’ny fi­rahalahiana eo amin’i Etazo­nia sy Madagasikara ary ny faha-65 taonan’ny Oniversi­ten’Antananarivo ny hetsika.
“Manamarika fahafahana, fahalalana amam-pahaizana mamorona ny soatoavina iarahana ny firahalahiana toy izao”, hoy ny tomponandraikitra. Manabe sy manofana tanora ny oniversite, mifandraika amin’izany ity fampirantiana ity, izay heverina hanokatra lalana bebe kokoa ho azy ireo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hitondra fahaleovantena ary hahatonga ireo tanora ho tomponandraikitra amin’ny fandrosoana ny fisian’ny hetsika toy izao. Ny America Corner eo amin’ny Oniversite ihany koa dia mitondra fifandraisana sy tombontsoa vaovao ho an’ireo mpianatra.
Ankoatra ireo, nahaliana ireo tanora ny torolalana momba ny fanohizana fianarana any Etazonia. Teo koa ny atrikasa Slam Poezia amin’ny teny anglisy. Nihaona mivantana sy nitafatafa tamin’ireo Malagasy mpianatra nivoaka tamina Oniversite amerikanina ihany koa ny mpianatra teny Ankatso.

Tatiana A

Partager sur: