Nisy hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ireo ivontoeram-panofanana teknika sy arakasa tany Antsirabe, tamin’ity herinandro ity ary hifarana anio. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa «Trade for decent work» karakarain’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) ho an’i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles ny hetsika. Vatsin’ny Vondrona eoropeanina vola miaraka amin’ny governemantan’i Finlande. Ho an’i Madagasikara manokana, mbola fady ny firesahana ny fananahana nefa maro anisa no iharan’ny herisetra ara-nofo, indrindra eny anivon’ny toeram-piofanana sy fianarana ary miseho amin’ny endrika maro samihafa izany. “Tsy mijanona eo amin’ny fanentanana fotsiny izao hetsika izao fa mitarika ny fahatongavan-tsain’ny besinimaro, hisian’ny fiovan-toetra sy fihetsika” hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina Gabriellan nandritra ny fanokafana ny hetsika tany an-toerana. «Miara-miasa isika hametrahana tontolom-pianarana mirindra sy voaaro ho fanajana ny mpiofana tsirairay», ny lohahevitra mandritra ny fanentanana.
Vonjy




