Mois : octobre 2023

Basikety-Heritiana Mickael : hanohy fianarana sy basikety any Etazonia

Tsy mitsahatra misondrotra hatrany ireo Malagasy mpilalao, eo amin’ny taranja basikety. Taorian-dRabibisoa Jer­ry Pépin, anjaran’i Heritiana Fabrizio Mickael na i Micka­kely indray izao no hisidina any ivelany. Hanohy ny fianarany any Etazonia ity Mala­gasy mbola tanora ity ary hanohy hilalao ny basikety ihany koa. Ao amin’ny Dow­ney Christian School ao […]

Tsipy kanetibe : hofantatra tsy ho ela ireo mpilalao Junior

Ho fantatra amin’ny faran’ny volana oktobra ho avy izao ny anaran’ireo Malagasy mpilalao efatra hiaro ny voninahi-pirenena malagasy mandritra ny Mondial 2023, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana maneran-tany izay atao any Bangkok Thailande, ny 23-26 novambra ho avy izao. Ny sokajy “senior” vehivavy sy ny “Junior”, sokajy lehilahy no manao izany […]

“Fifanintsanana Mondial” : Coach Rôrô no hitondra ny Barea

Mbola napetraka amin’ilay Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix, ny fahatokisana ny hitondrana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar A. Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha vaovaon’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanam­pisoa Alfred sy ny filoha teo aloha, Andrianony Victorien. Taorian’io lanonana io, fantatra fa […]

Kafe : zava-pisotro fahatelo be mpisotro indrindra maneran-tany

Zava-pisotro fa­ha­telo be mpisotro indrindra ma­neran-tany “1,5Milliard de tasse des cafés » no fisotron’ny olo­­­na isan’andro maneran-tany. Zava-pisotro fa­ha­telo be mpisotro indrindra, ao­rian’ny rano sy ny dite izy io. Misotro kafe avokoa ny olon-drehetra, raha nana­ovana fanadihadiana. Ilain’olona amin’ny fiainana andavanandro ny kafe. Mi­sotro kafe indroa hatramin’ny indimy ny olona iray, raha nanontaniana. […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso fahamailoan’ireo terataniny ny masoivohon’i Frantsa, araka ny fanambarana eo anivon’ny ambasady, omaly. “Aoka isika hanaraka hatrany ny toromarika omen’ny manampahefana ary hitandrina tanteraka rehefa mivoaka ny trano, indrindra ny eto an-drenivohitra”, hoy ny eo anivon’ny masoivoho Frantsay. Mitanila ny fanjakana, araka ny nambaran’ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, omaly. Olom-pirenena tomponandraikitra, […]