Mois : octobre 2023

Toe-draharaham-pirenena : miantso fifampiresahana maika ny Fiteva

Nivoaka amin’ny fahanginany ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fiteva). “Manainga am-panajana ireo mpanao politika izahay hiresaka sy hifanakalo hevitra mba hikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka. Tratra farany hatrany ny vahoaka noho ny adilahy”, hoy izy ireo tetsy Tsimbazaza, omaly. Niantso ny zanak’iny faritra iny ny Fiteva tsy ho tafiditra […]

Minia…Mania

Gaboraraka ny fiainam-pirenena tao anatin’ny roa herinandro. Toy ny tany tsy misy fanjakana i Madagasi­kara, indrindra ny teto an-drenivohitra. Tsy nisy niraharaha izay lalàna velona izany fa samy nitondra ny lohany. Nanao izay danin’ny kibony avokoa ny rehetra. Tsy madinika, tsy olo-maventy fa dia tsy nisy niraharaha izay rafi-panjakana izany. […]

Hetsika teny Itaosy : zaza roa safotry ny baomba mandatsa-dranomaso

Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Itaosy nandritra ny hetsik’ireo kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy, omaly. Nisy ireo torana sy naratra. Tamin’ny 12 ora sy 37 minitra katroka, nirefotra voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso na­taon’ny zandary nanao sakana tetsy Betavoahangy Itaosy, omaly. Niainga teo Antanika­tsaka ireo kandidà 11 sy ny mpomba azy […]

Vavatenina : lehilahy iray matin’ny daroka

Lehilahy voatondro ho mpamaky trano matin’ny daroka tao anaty fonjan’ny kaominina ambanivohitr’Andasibe, distrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo, ny alahady 15 oktobra teo. Nosamborin’ny eo anivon’ny kaominina ao an-toerana izy, ny tolakandro io alahady io. Notazonina tao amin’ny efitranokely “fonjan’ny kaominina”, araka izany, io voalaza ho mpangalatra io. Nohazonin’ny mpiasan’ny kaominina tao izy. Tetsy ankilany, […]

TSELATRA

Vehivavy mpivarotra rongony saron’ny polisy tao Ankaraobato, afakomaly. Nahitana fonosana zava-mahadomelina 200 isa tao amin’io voasambotra io. Nilanja 2 kg io rongony nokasaina hamidy amin’ireo mpidoroka ao an-toerana io. Naiditra am-ponja vonjimaika. Mpangalatra kisoa iray voasambotry ny zandary tao Faratsiho, ny talata 17 oktobra teo tamin’ny 11 ora atoandro. Nojaikoin’ny […]