Mois : octobre 2023

TARATRY ny KANTO

“Festival Madajazzcar”. Hanamarika ny takarivan’ny anio, ny fampisehoana maro samihafa, ao anatin’ny « Festival International Madajazzcar » andiany faha-34. Anisan’izany ny eny amin’ny Fara West Faravohitra, iarahana amin’ny Zara Rajaona& Band, sy ny eny amin’ny Aérovillage Talatamaty, iarahana amin’i Solo Andrianasolo Quartet. Tselonina etsy amin’ny Piment Café. Volana vitsivitsy lasa izay no […]

“Jôkôsô – Festival du Rire »: nizara ny fahaiza-manaony ny mpanao hatsikana matihanina

Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny atrikasa sy fifampizarana tamin’i Fafa sy Océane Von­wertas, mpanao hatsikana avy ao La Réunion. Andro faharoa amin’ny «Jôkôsô – Festival du Rire » ity notanterahina omaly ity. Ankoatra ny fifampizarana sy atrikasa, nisy ihany koa ny fampisehoana niarahana tamin’ireo mpanao hatsikana […]

Nanao fanambarana ihany koa…: tsy mankasitraka ny herisetra ireo mpanakanto

“Foloalindahy frère-nay, aza tifirina izahay”, “Tsy mifandratra ny samy Malagasy”, “Malagasy tsy manao herisetra”, “Stop herisetra”, sns. Santioanany amin’ireo soratra narantin’ireo mpanakanto nanao fanambarana ireo. «What’s up», hiran’i 4 Non Blondes, malaza eran-ta­ny. “Ity hira ity dia nadi­kan’Andriamatoa Ravaloma­nana Richard tamin’ny teny malagasy. Nitondra hery ho ahy ka indramiko ary […]

Is’art Galerie: miavaka ny haikan­ton’ i Aina Zo

Nisokatra omaly ny fampirantiana ny « Spectrum », eny amin’ny Is’Art Galérie Ampasanimalo. Rantin-tsarin’i Aina Zo Raberanto, mpaka saripika, no hita eny an-toerana, hatramin’ny 9 novambra 2023. Zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona no nangalian’ity mpaka sary ity ary nasehony tamin’ny fomba kanto. Saripika 25 isa no arantin’i Aina Zo Raberanto, eny […]

Hira evanjelika: manohy ny lalany i Zook Davids

Fitetezam-paritra lehibe maro no vitan’ny tarika Zook Davids, nandritra iny fialantsasatra lehibe farany teo iny… Tohizan-dry zareo izany na efa ao anatin’ny fotoam-pianarana aza ny mpianatra, satria, manampy amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ny alahady 15 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Cité Akany Sambatra eny Itaosy. Hanatanteraka […]