Mois : octobre 2023

Latsaka an’elanelany: very fitaratra ny tontolon’ny hira malagasy

Kanto nahitana fiovana lehibe ny hira malagasy. Amin’ny ankapobeny, nanaraka vanim-potoana izany. Ny nalaza omaly, tsy heno ny ampitso. Ny fantatra androany, lefy rahampitso. Taloha… Taloha… Taloha…! Mankalilo ny sofina sasany ny mihaino izany ankehitriny. Saingy, tsy maintsy voateny ihany amin’ny lafin-javatra sasany. Very fitaratra ny hira malagasy. Famerimberin’ireo mpanakanto […]

VAOVAO TAMBATRA

Amidy eny amin’ny mpivarotra ny vary makalioka amin’ny vidiny 800Ar sy ny vary nafarana 750 Ar ny kapoaka. Nanaraka ny fiaingan’ny vary teny amin’ny trano fanatobian’entan’ny orinasa SPM eny Ambohimanambola, omaly, ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Ho hita amina fokontany maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo vary ireo. […]

Minae sy FAO : 85 tapitrisa dolara hampandrosoana ny famokarana

Natao sonia ny 11 oktobra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), sy ny Fikambanana iraisam-pire­nena misahana ny sakafo (FAO). Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa lasitra isaky ny firenena (CCP), ho an’ny taona 2022-2025, hanatra­rana ny Tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD), napetraky ny ONU ity fifanarahana […]

Fly over : mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa

Tontosa, afakomaly, nandritra ny fihaonamben’ny vondron’ ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tany Marrakech, Maroc ny fifanaovan-tsonia fama­tsiam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana eto Afrika (Badea) ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa “Fly Over” eny amin’ny Makis Andoha­tapenaka. Mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa […]

Tetikasa Folur : hifantoka amin’ny tontolo iainana sy ny famokarana

Hamerina amin’ny laoniny ireo ala simba sy hampiroborobo ny famokarana ary hanatsara ny fari-piainan’ny mponina hisorohana ny fanimbana ny tontolo iainana. Ireo ny teboka apetraky ny tetikasa “Folur”. Tanjona apetrak’i Mada­gasikara ny hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo anatin’ny fiarovana amin’ny fomba maharitra ny harena voajanahary. Hifan­toka amin’izay indrindra ny tetikasa Folur […]