Mandeha ny fifidianana ! Izay aloha ny zotra arahin’ny raharaha politika eto amin’ny firenena. Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio rahateo ny fampielezan-kevitra manerana ny Nosy. Manamafy ny mikasika izay rahateo ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Miezaka ny mitady fitoniana sy filaminana ary fanehoan-kevitra malalaka ny masoivoho vahiny. Efa miomankomana ny hery velona rehetra. […]
Mois : octobre 2023
“Gasy leo korontana” : nidina an-dalambe, mitaky fifidianana
Nanao hetsika tsy fankasitrahana ny korontana ireo olom-pirenena tsotra, omaly tamin’ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra. Niantso ny tokony hifantohana amin’ny fifidianana sy fitoniana izy ireo. Manomboka ny fampielezan-kevitra! Nivoaka amin’ny fahanginany ihany koa ireo olona manohana ny fanatanterahana ny fifidianana. Nanentana ny tokony hametrahana tontolo milamina izy ireo. “Mitsipaka marindrano […]
Antanimora : mitaraina ireo mpiandry fonja 35 nafindra toerana
Velon-taraina saingy tsy afa-mandà ny mpiandry fonja 35 isa eo anivon’ny fonjan’ Antanimora, omaly. Nilatsaka ny baiko fa hafindra toerana any amin’ny faritra hafa avokoa izy ireo noho ny fandaminan-draharaha eo anivon’ny fonja. Nampanantsoin’ny talem-paritry ny fonja ao an-toerana ireo mpiandry fonja 35 isa ireo omaly, hanao sonia ny taratasy […]
TSELATRA
Sprinter iray nitondra razana tra-doza teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, omaly. Nandeha mafy, nifandona tampoka tamin’ny fiara mazda iray nifanoha-dalana taminy io mpitondra razana io. Tsy voatana intsony ny familiana ka nitarika ny loza. Nipitika tamin’ny arabe ny fitoeran’entana teo amin’ilay sprinter. Potika ny lohan’ny fiara. Tsy nisy namoy ny ainy […]
Lehilahy voatifitra : voaroba ny vola 9 tapitrisa Ar
Notafihin’ny dahalo fito lahy ny tokantrano iray tao Alakamisy Itenina, afakomaly alina. Lasa ny vola, naratra ny tompon-trano. Raikitra ny vely kibay sy ny fandratrana tamin’ny famaky nataon’ny jiolahy fito lahy tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Marokona III, kaominina Andranomiditra, distrikan’i Vohibato, ny alin’ny 8 hifoha ny 9 oktobra […]




