Nolavin’ny prefektiora ny fanatanterahana tatitra amin’ny vahoaka ny sabotsy izao, eny amin’ny kianjan’ny 13 mai. Na izany aza, nanolo-kevitra ho azy ireo ny “Prefet”, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nambarany tamin’ny valin’ny fangatahan’ireo depiote fa anton’ny fandavana ny maha faritra ara-barotra “Zone commercial” ny eny Analakely sy ny manodidina ary maro […]
Mois : octobre 2023
Mihenjan-droa
Mbola mihenjan-droa ny tady eo amin’ny samy mpisehatra politika eto Madagasikara, mandraka izao. Mazava ny lalan-kizorana ho an’ny mpitondra. Tsy maintsy tohizana amin’ny fomba rehetra, indrindra amin’ny fifidianana ny fahefana efa azo nandritra ny dimy taona. Anatin’ny fanomanana ny fampielezan-kevitra tanteraka ny ekipan’ny laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Manomboka mametrapetraka ny […]
Raharaham-pirenena : tsy nahitam-bokany ny fifampidinihan’ny FFKM
Naharitra ora roa latsaka fahefany, ny fifampiresahana teo amin’ny FFKM sy ny kandidà ho filoham-pirenena teny Ambohimanoro, omaly. Mitohy ny fifampidinihan’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) sy ireo kandidà hirotsaka ho filoham-pirenena miisa 13 manoloana ny savorovoro misy eto anivon’ny firenena, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ ny FFKM, ny Pastora Rakotozafy […]
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka: jiolahy nanafika fianakaviana avy namadi-drazana
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Fenoarivo. Ny alahady 1 oktobra 2023 lasa teo, niharan’ny fanafihan-jiolahy ny fianakaviana iray avy nanao famadihan-drazana teny Fidasiana Antsahadinta Androhibe. Jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Ireo vola (aterokalao) azo tamin’ny tsodrano no saika halain’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana […]
TSELATRA
Norobain’ny jiolahy dimy lahy ny vola mitentina 36 tapitrisa Ar tao Avaratsena, Tsiroanomandidy, ny alatsinainy teo. Nihanika lavarangana ireo olon-dratsy ka niditra an-keriny tamin’ny varavarana tao ambony rihana. Nitifitra ireo mpivady tompon-trano avy hatrany ireto farany. Lasa ny vola. Fatim-behivavy iray hitan’ny fokonolona tao Ankadinondry Sakay, omaly maraina. Efa potika […]




