Mois : octobre 2023

« Nofy maitso »: hiditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana

Tanterahina any Toamasina, ny 16 hatramin’ny 22 oktobra 2023, ny fifaninanana “Nofy maitso”, “Slam poèsie” mifototra amin’ny tontolo iainana. Efa mandeha ny fifantenana isam-paritany amin’izao fotoana izao, ary izay mandresy isaky ny faritany no miatrika ny fifanintsanana nasionaly. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanentanana ny olona, indrindra ny tanora, amin’ny […]

Fandrosoana ? Mitombo isa ny mpanoratra

Ankehitriny, maro be ireo sokajiana ao anatin’ny valaben’ny soratra. Ao ireo vantanina amin’ny anarana hoe «mpanoratra», misy koa ny ambara fa «poeta». Iraisan’ireo ny fandraisana penina, fanoratana ambony taratasy ary ny famoahana izany ho an’ny mpamaky. Anisan’ny mahavariana kosa ny fitomboan’ny isan’ny mpanoratra sy poeta amin’izao vanim-potoana izao. Midi­ka ho […]

« Madajazzcar 2023 »: toerana maro no hisy seho anio

Taorian’ny fanokafana ny andiany faha-34, omaly, tetsy amin’ny IFM Analakely sy tany Antsirabe. Toerana maro no hanatanterahina ny seho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny “Festival International Madajazzcar”, androany. Ha­nomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny eny amin’ny Orchidées Blanches Androhibe, ahitana an’i Tahiry Andriamanoro Trio (Tahiry Andriamanoro, Rado Andria­manantena ary i Fetranirina […]

… Tsy mahita ny ambany maso: Maty hasina i Madagasikara

Mifanilika… Mifampitazana… Mifampiandry kendry tohina… Iainan’ny Malagasy avokoa ireo. Toa samy tsy te ho tompon’andraikitra amin’izay zava-manjo an’i Madagasikara. Vokatr’ireo, tsy hita ny tena fototr’olana. «Adilahy politika», «Fifandirana politika»… Politika,…Politika… Politika ! Tena izay tokoa ve no mahazo ity Nosy ity sy miteraka olana saro-bahana? Raha mba misokatra kely indray […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fanazarantena teny Maha­masina ny ekipam-pirenena Barea de Mada­gascar, ny alarobia 4 oktobra lasa teo. Marihina fa ny 9 hatramin’ny 17 oktobra ho avy izao izy ireo, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena izay tafiditra anatin’ny “fenêtre FIFA”. Ny ekipam-pirenen’i Mauritanie sy i Bénin no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany. Niakatra kianja omaly […]