Mois : octobre 2023

« World Jiu-Jitsu Championship” : miampy roa ny solontenan’ny Malagasy

Efa miroso amin’ny fampivondronana indray izao ireo Malagasy mpikatroka, hiatrika ny “World Jiu-Jitsu Champion­ship”. Fifaninanana hotanterahina any Abu Dhabi, manomboka ny 1 novambra izao. Raha ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasin’ny Jiu-Jitsu, misy mpikatroka mianadahy vonona hianto-tena ka hanampy ny ekipa nasionaly hihazo an’i Abu Dhabi, ahitana an’i Linjo, sokajy […]

Malagasy mpitsara : nitsara ny lalaon’i Zambia sy i Mozambika

Manomboka mipetraka ny fahatokisana ny Malagasy amin’ny sehatra baolina kitra eto Afrika. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly. Notendrena hitsara ny lalao nifanandrinan’i Zambia sy Mozambika, ireo Malagasy roa, mirahavavy, amin’ny fifaninanana “Cosafa Cup”, sokajy vehivavy, izay atao atsy Afrika Atsimo ny 4-15 oktobra ho avy […]

« Cosafa Cup »: hifanandrina amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara

Fanamby goavana ny miandry ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, rahampitso. Mila mandresy an’i Afrika Atsimo mpampiantrano izy ireo, raha tiany ny hanana fanantenana ny ho tafita amin’ny dingana manaraka amin’ity “Cosafa Women’s Cup” ity. Lavon’i Estwani tamin’isa 2 no ho 1 i Madagasikara tamin’ny andro voalohany. Hotanterahina rahampitso ny andro […]

Kianja synthétique: miroborobo ary mahasarika tanora maro ny mampiasa azy

Betsaka ny kianja synthétique mitsangana eto amin’ny Nosy amin’izao fotoana izao. Ahitana izany avokoa ny faritra maro sa­mihafa, indrindra ny eny amin’ny faritra iva, raha ho an’ny eto An­tananarivo Reni­vohitra. Ahitana tanora maro milalao baolina foana isan’ andro amin’ireny kianja synthétique ireny, raha ny fanadihadiana natao. Vanim-potoana mahabetsaka ny mpilalao […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy mandeha sy hisy ny fifidianana, araka ny nambaran’ny dipiote IRD, Raholdina Naivo. Tsy azo ampitahorina sy ranitina lava intsony izy ireo, ary ho azo amin’ny fihantsiana. Tany sy fanjakana misy lalàna eto, ary aleo hipetraka amin’ny mpitandro filaminana ny amin’izany. Aleo ireo mpanohitra ho variana sy ho lany […]