Hetsika hafa indray koa. Nanatitra taratasy fampahafantarana teny amin’ny prefektiora, Tsimbazaza, omaly, ireo depiote voafidy eto an-drenivohitra. Voalaza ao anatin’ izany fa hanao tatitra amin’ny vahoaka eny amin’ny kianjan’ ny 13 mey izy ireo ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 10 ora. Nambaran’ny fampahafantarana fa ireo depiote voafidy amin’ireo […]
Mois : octobre 2023
Fiatrehana ny fifidianana: hisokatra ny tsenan’asa ho an’ny takelakazon’ny afisy
Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao teny Mahazoarivo, omaly, ny fanomezana tsenan’asam-panjakana ho amin’ny fanamboarana ireo takelakazo, hametrahana ny petadrindrina momba ny fifidianana. Natao hampiasain’ny Ceni izany. Etsy andaniny, anisan’ny nankatoavina koa ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany momba ny fampidirana […]
Ceni : “Tsy maintsy irosoana ny fifidianana”
Hanao ahoana ihany ny fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 9 novambra. “Tsy maintsy irosoana”, hoy ny filohan’ny Ceni. “Samy manana ny heviny ny olompirenena amin’izao. Izay indrindra no mampitombina ny hoe tsy maintsy irosoana ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, omaly, tamin’ny fiantsoana ireo […]
Fihazonana an’i Rina R. : nohalavain’ny zandary 24 ora
Nampiana 24 ora indray ny fitazonan’ny zandary eny amin’ ny sampana fikarohana ny heloka bevava eny Fiadanana, ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro Rina. Midika izany fa mbola misy fanadihadiana lalindalina kokoa ilaina atao aminy matoa nohalavaina ny fe-potoana ihazonana azy. Na izany aza, efa nilaza ny mpisolovava ity mpitarika […]
Hetsika sy fitakiana : ho eny amin’ny13 mey indray ireo kandidà, anio
Hitohy indray anio, ny hetsika hotarihin’ireo kandidà 11. Mialoha izany, nandray ireo olom-boafidy, ahitana loholona sy depiote ireo vondron’ny kandidà 11 teny Ambohimanambola, omaly. Tafiditra amin’ny fikaroham-bahaolana sy ny fanohizana ny tolona izany ary koa ho famerenana ny tany tan-dalàna, araka ny nambaran’izy ireo tamin’izany. Nitohy tamin’ny fandraisana ireo fikambanana […]




