Mois : octobre 2023

Hira avy any atsimo : manandratra ny tsikidona ny Mahafaly Mihisa

«Mahafaly», anarana foko iray any atsimon’ny Nosy. «Mihisa», adika amin’ny hoe : misôma na milalao. Niorina tany Betioky, ny taona 2012, ny tarika Mahafaly Mihisa. «Ny fampahanfatarana sy fanandratana avo, eto an-toerana sy hatrany ivelany ny tsikidona (iray amin’ireo mandrafitra ny tsapiky nentim-paharazana avy any atsimo) no antom-pisianay. Tononkira, mirakitra hafatra […]

“Festival international de Street art” : Malagasy handray anjara amin’ny hetsika i Mat Li

Hizara sy hitondra ny talentany mandritra ny “Festival International de Street Art” i Mat Li. Ny “Street Art” izay efa misehatra amin’ny fandavorariana ny vinam-pampandrosoana lovainjafy, ankoatra ny maha fanaingoana sy fanomezana endrika ny tanàna azy. Tanterahina ao amin’ny tanànan’i Saint- Denis sy Saint André, La Réunion, nanomboka ny 1 […]

Savorovoro teto an-drenivohitra : Enina naratra, roa voasambotra

Nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina, omaly, teny Ambohidahy. Nisy ny naratra sy voasambotra. Nifandramatra koa ny samy sivily. Niafara tamin’ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso sy fi­fa­nenjehana ny hetsika nataon’ ny Vondron’ny kandidà 11, omaly. “Tafiditra tao anatin’ny fidinana an-dalambe nampiasa fitaovam-piadiana ny he­tsika nataon’ireo kandidà 11 omaly satria nahitana olona […]

FANTINA sy FINTINA

Handray ireo sokajin’olona samihafa ny kandidà Rajoelina Andry, anio, eny Ivandry. Anisan’izany ny fikambanana tanora sy ireo mpanao fanatanjahantena. Eo koa ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny olom-boafidy toy ny depiote sy ireo loholona ary ny ben’ny Tanàna. Tandindonin-doza indray ny firenena, araka ny fanehoan-kevitr’i Dama, tarika Mahaleo, omaly. […]