Mois : octobre 2023

Faritra Atsinanana : hahazo foiben’ny asa sy fanofanana

Nosoniavina ny herinandro lasa teo, tao Toamasina, ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fananganana trano misahana ny asa sy ny fanofanana ao amin’ny faritra Atsinanana (Mefra). Mitsinjo sy mikendry ny tanora, ny vehivavy, ny olona manana fahasembanana, ny mpiasa voaroaka ary ny mponina mavitrika ny Mefra. Mifototra amin’ny fandinihana ny mety ho […]

homamiadana : misy ny fitiliana maimaimpoana ho an’ny vehivavy

Niorina ny taona 2008 ny Fondation Akbaraly, manentana amin’ny fisorohana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy. Manao fitiliana maimaimpoana izy ireo isaky ny volana oktobra, hanomboka anio. Isaky ny volana oktobra, manao hetsika fanentanana iadiana sy hisorohana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny Fondation Akbaraly. Mitohy izany amin’ity taona ity […]

INIM 2023: hanome sehatra ny fihaonan’ny samy mpandraharaha

Tsy zoviana amin’ny maro ny lazan’i Madagasikara amin’ireo vokatra fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, kanelina, kafe, letisia, kakao 100% fin, Ylang-Ylang, manga sns. Mia­vaka amin’izany vokatra ananany izany ny firenena malagasy. Indrindra amin’ireo karazan-javamaniry 15 000 isa tsy fahita maneran-tany sy ireo maro hafa. Hanome seha­tra ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha […]

Fampiroboroboana ny famokarana: tokony hisitraka fampindramam-bola ny tantsaha

Tsy afa-miala ao anatin’ny tontolon’ny famokarana ny resaka famatsiam-bola, ahafahana mampivelatra ny fihariana. Manao ady sisika amin’ireo mpisehatra ara-bola ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao amin’ny faritra Menabe, hanomezana tolotra manokana ho an’ny kaoperativa. Mbola marefa ny kaoperativa ka tokony hisitraka […]

Fampandrosoana lovainjafy: hojerena ireo vahaolana isan-karazany

Manomboka anio ka hatramin’ny sabotsy izao ny « Heri­nandron’ny fampandrosoana lovainjafy », andiany voalohany, hatao etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ny 15% amin’ny paikady nofaritana ho an’ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) ihany no mandeha araka ny tokony ho izy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mbola ireo ihany koa no mety ho […]