“Tranga fakana an-keriny zaza varira efatra no niseho tao anatin’ny volana iray monja”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence. Zaza fito taona nisy naka an-keriny ka maty ary notapahina ny lohany, tao Ikongo. Zazalahy herintaona sy tapany nisy naka an-keriny ka tsy mbola hita hatramin’izao, efa […]
Mois : octobre 2023
Miovaova ny toetry ny andro : lasa marefo ny vatana, mahazo vahana ny aretina
Betsaka ny olona manatona tobim-pahasalamana tao anatin’ny herinandro noho ny aretin’ny taovam-pisefoana (IRA), araka ny zava-misy hita eny anivon’ny CSB sy ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra mikarakara ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Ao anatin’ny fotoana mampisara-taona izao ka miovaova be ny toetry ny andro, antony mampirongatra ny karazana aretina maro. […]
Voaaro ny ala: miroborobo ny fiompiana tantely sy trondro
Mirona miompy tantely sy trondro ny tantsaha. Fihariana mora atao, nefa tena mampidi-bola. Randrianoavy François, filohan’ny fikambanan’ny mpiompy tantely, pasitera: Miisa 6 ny tranon-tanteliko tany am-boalohany, ary niampy 12 hafa. Indroa mandrava tantely isan-taona, fa efa intelo nanomboka ny taona 2023. Nahazo tantely 35- 40 kg ny taona 2021, nitombo […]
Sekoly maitso: fitaratra ny any Anevoka Maromizaha
Isan’ny sokajiana sekoly maitso, fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny EPP Anevoka any Maromizaha. Misy ny fandaharam-pianarana manokana ianaran’ny mpianatra, isaky ny alarobia. Nambaran’i Madame Léa, mpampianatra, fa ampahafantarina azy ireo ny fisian’ny ala voajanaharin’i Maromizaha, ny lanjan’ny zavamananaina. Nefa koa misy ny tsindry mahazo azy, ka mila arovana. […]
Fihariana vaovao: Vehivavy mpahandro
Ramatoa Voahangy, mpahandro: Anisan’ireo ray aman-dreny nisitraka fanafody maimaimpoana nozarain’ny Gerp aho. Tratry ny bilariziaozy ny zanako tamin’ny 2015, satria naloto ny rano. Niantohan’izy ireo ny fitsaboana ny zanako, nentina tany amin’ny CSB II Andasibe. Misitraka ny tohana amin’ny fambolena izahay, toy ny teknikam-pambolena, ny fizarana masomboly (tsaramaso, voanjo,…). Ao […]




