Mois : octobre 2023

Asa soratra ho an’ny ankizy: hivoaka ny volana novambra ny « Amboaran’angano-Recueil de contes »

Hanomboka ho hita eny amin’ny trano famakiana sy fivarotana boky, ny tapaky ny volana novambra 2023, ny bokin’angano «Amboaran’an­gano-Recueil de contes», notontosain’i Arikaomisa Randria sy i Max Razafin­drainibe, niara-niasa tamin’ny edisiona Jeunes malgache. Ny kilonga madinika no tena kendrena amin’izay vokatra izay. Amin’ny teny malagasy sy frantsay ity bokin’angano ity […]

Fakafaka: …Maty hasina !

  « Adilahy politika », « Fifandirana ara-politika »… Politika, …Politika… Politika ! Tena izay tokoa ve no mahazo ity Nosin-drazana ity ? Raha mba misokatra kely ilay fomba fijery dia any amin’ny “famatsiana iraisam-pirenena”, “mpamatsy vola iraisam-pirenena”, “orinasa afakaba”… Izany hoe, raha faran’izay lasa lavitra indrindra, any amin’ny resaka […]

Fampivelarana ny teny malagasy : 20 taona ny hetsika « Soratononina »

Tsy ny eto an-toerana ihany no mahatsiaro ny fahasimban’ny teny malagasy fa ny any ivelany ihany koa. Mandray andraikitra ny fikambanana Kolo Malagasy ka manatanteraka ny « Soratononina » tao anatin’izay 20 taona izay. Taona 2002, noforonin’ Itom­pokolahy Jarisoa Rakotoarivelo sy i Mamy Randrianarivony ny Kolo Malagasy . Taona 2003, […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 32 ireo Malagasy nandray anjara ta­min’ny “African Business Education for Youth Initiative (ABE Initiative)”. Fandaharanasa karakarain’ny JICA, nanomboka ny taona 2013, ny ABE initiative izay ahafahan’ireo mpandray anjara misitraka fianaran’asa sy fandraharahana any amin’ny firenena Japoney. Tanjona ny hampiroborobo ny indostria aty Afrika sy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta […]

Salon Voatra : be mpitady ny vokatra malagasy

Mivoatra sy mihatsara ny vita malagasy. Mahasarika ny besinimaro fa indrindra ny teratany vahiny ny asa tanana malagasy, porofo mivaingana nandritra ny hetsika “salon de la créativité Voatra” andiany faha-10, ny herinandro teo. Nampiranty ny fahaiza-ma­na­ony avokoa ireo mpandraharaha samihafa nandritra ny hetsika izay nahaliana ny mpitsidika. Samy afapo ny […]