Nihaona tamin’ny vahoakan’i Vangaindrano sy Farafangana ary Manakara ny kandidà laharana fahatelo, omaly. Notanisainy tamin’izany ny zava-bita any amin’ireo distrika ireo. “Ny sasany mbola hampanantena fa isika efa mitanisa hoe: izao no efa natao sy mbola hatao ary ny tsy maintsy hatao”, hoy ny kandidà, laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Notsiahiviny […]
Mois : octobre 2023
Nampangain’ny kapa sy ny valizy: jiolahy namono nahafaty ny mpampiasa azy
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, omaly, ireo jiolahy telo tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana. Ny 26 oktobra 2023, vehivavy iray no niharan’ny vonoan’olona feno habibiana tany amin’ny faritra Sava. Lasa nilefa nihazo ny kaominina Sahasinaka avy hatrany ireo nahavanon-doza taorian’izay. Nahazo fampitam-baovao momba izany ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra […]
TSELATRA
Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Andranotapahana, Ambohidratrimo, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra azy. Nahitana ratra ny faritry ny lohany. Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana momba ny nahafaty io lehilahy. Sekoly tsy miankina iray tao Ambondromifehy, Diego II anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Anivorono Avaratra hotohoton’ny afo, afakomaly alina. Niredareda tampoka […]
Resin-tory tao anaty ala : dahalo maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanandrinan’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao Lavaha Tsararano, kaominina Manambidala Vondrozo, ny sabotsy 28 oktobra teo. Nitrangana halatra omby tao amin’ny tanàn’Andranolava, kaominina Andoharano, distrikan’i Vondrozo ny alakamisy 26 oktobra teo. Nanara-dia ny fokonolona ka tratra tao amoron-dranon’i Manampatra, ny dahalo iray […]
Hazo mivoa-dra : zaza roa taona namoy ny ainy tany Antalaha
Tsy mampino ! Raim-pianakaviana nanapaka hazo masina mandeha ra no namoy ny zanany vavikely. Voalaza fa nanangatra ity farany, ka nilaza fa mbola hisy olona fito hafa ho faty ! Mbola misy ireo hazo masina sy tany manan-kasina any amin’ny faritra sasany ! Nitrangana trangan-javatra hafahafa tao amin’ny fokontany Ambalaivoka, kaominina ambanivohitr’Antanananambo, distrikan’ […]




