Agent en système solaire photovoltaïque: niofana ireo mpampiofana 15

Manohana ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny Unesco, amin’ny alalan’ny fandaharanasany, ao anatin’ ny fampiharana ny politikam-pirenena momba ny asa sy ny fanofanana arakasa. Misy atrikasa fanofanana ireo mpampiofana ho « agent en système solaire photovoltaïque », « installateur en système solaire photovoltaïque », « maintenance en système solaire photo­voltaïque », nanom­­boka ny alatsinainy teo hatramin’ny 10 novambra ho avy izao eny amin’ny Luxmina Training Institute Ivandry.
Mpampiofana 15 no ma­naraka izany, ny valo avy ao amin’ny CFPR sy LTP Vato­mandry, efatra avy ao amin’ny CFPR Ranopiso sy LTP any Taolagnaro ary telo avy ao amin’ny DF­PEF. Mandrafitra ny fiofanana ny hevitra sy fifehezana ny asa, ny pedagojia ary ny fanatan­terahana sy fanom­banana ara-teknika ny mpiofana.
Tanjona ny hampivelatra ny fahaiza-manao ara-teknika sy arakasan’ireo mpampiofa­­na amin’ny famoronana, ny famola­­­volana ary ny fampiharana ny fiofanana amin’ny asa voafaritra, amin’ny ala­lan­’ny toro­­lalana momba ny vokatra.
« Zava-dehibe ny kali­taon’ny fanofanana ireo mpampio­­fana ary mana­­mari ­ka ny fahaiza-manao sy ny trai­­kefa ana­nan’ny Lux­­mina izay ivontoeram-piofa­­nana mif­o­­totra amin’ny angovo azo havaozina », hoy ny mini­sitry ny Fampianarana teknika.

Vonjy A.

Partager sur: