Iray amin’ireo sekoly finamanana Sina-Madagasikara efatra naorina eto Madagasikara ny ao amin’ny CEG Tsarakofafa, Toamasina. Mpianatra miisa 28 avy amin’ity kolejy ity no nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny masoivoho sinoa, ny herinandro teo, ho fampaherezana azy ireo.
Misy sokajy roa ny mari-pankasitrahana natolotr’ity masoivoho ity dia ny anaram-boninahitra “Iraka avy amin’ny teny sy ny kolontsaina sinoa” sy ny “Vatsim-pianarana avy amin’ny masoivoho sinoa”. Olona 105 no nisitraka ny loka tamin’io fotoana io.
Tamin’ny lahateniny, Atoa Zhang Wei, tomponandraikitra ao amin’ny masoivoho dia nanome fankasitrahana ireo mpandresy rehetra ary nisaotra ireo Sinoa sy Malagasy namana avy amin’ny sehatra rehetra noho ny fanohanana sy ny fandraisany anjara tamin’ny fiaraha-miasa Sinoa-Malagasy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.
Tanjon’ny vatsim-pianarana avy amin’ny masoivoho ny hanomezana fankasitrahana sy hampirisihana ireo mpianatra manana ny fahaiza-manaony tsara. Fisaorana an-kitsim-po ho an’ireo mirotsaka an-tsehatra eo amin’ny sehatry ny fianarana ny teny sinoa ihany koa. Ankoatra izany ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Chine sy i Madagasikara.
Tatiana A




