Boriborintany faharoa: sekoly miisa 16 nisitraka fampitaovana

Sekolim-panjakana fototra, (EPP), miisa 13 sy kolejy, CEG, miisa telo eo anivon’ny boriborintany faharoa, nisitraka ordinatera, “imprimante” ary “onduleur” avy amin’ny solombavambahoakan’ny boriborintany faharoa, i Lanto Rakoto­manga, teny Androndrakely, omaly. “Tsy natao ho an’ny tale fa iasana eo anivon’ny toeram-pianarana ireto fitaovana ireto”, hoy ny solombavambahoaka. Nahazo ny anjarany avokoa ny talen-tsekoly ambaratonga fototra (EPP) hatreny amin’ny kolejy, CEG. Hanampy ireo tale amin’ny fanatanterahana ny asa sy fampiakarana ny lentan’ny fampianarana eny anivon’ny sekolim-panjakana ho an’ny zaza malagasy ity fampitaovana ity. Marihina fa vola avy eo anivon’ny fitondram-panjakana (CIAD) hampiasan’ny depiote no nahafahana nahatanteraka ity fampitaovana ity.

Tsiferana R.

Partager sur: