Nomarihina ny sabotsy teo, tao amin’ny akany fitaizana ireo zaza kambotin’ny Tafika eny Pagode Antsahasoa, ny fisokafan’ny taom-panabeazana 2023-2024 ka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fotoana. Zanak’ireo miaramila lavo an’ady no raisin’ny fanjakana an-tanana eto amin’ity akany ity. Miisa 27 mianadahy ireo ankizy ka ny telo amin’ireo mianatra any amin’ny sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) Beravina Fianarantsoa. Ankoatra izany, vao nandray ankizy avy any amin’ny faritra ihany koa ny akany. Ny Etamazaoron’ireo Tafika no miandraikitra ny fiahiana azy ireo. Fanabeazana sy famolavolana no atolotr’ireo mpanabe mba hananany hoavy tsara sy mamiratra, ka hanohanana azy ireo ao anatin’ny zo fototra maha olombelona feno. Manampy tosika amin’ny fanatrarana izany tanjona izany ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa an-tsitrapo ary ireo mpanohana samihafa. Anisan’izany ny fikambanan’ny vady miaramila (FI.VA.MI) tarihin-dRakotoarijaona Lydia, sady filoham-boninahitr’izany fikambanana izany no reny mpiahy ny akany. Eo koa ireo masoivoho mpiray ombon’antoka amin’i Madagasikara sy ireo rafi-pitantanana isan-tsokajiny miandraikitra ny fampandehan-draharaha ao amin’ny akany. Nisy fanohanana hita maso avy amin’ireo mpanohana ny ankizy tezaina ao amin’ny akany. Notolorana fanomezana avokoa ireo ankizy afaka fanadinam-panjakana BEPC sy tafiditra telo voalohany tany am-pianarana. Niantso ny fitohizan’ny fiaraha-misalahy efa nisy hatrizay teo amin’ny Tafika Malagasy sy ireo mpiara-miasa rehetra ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Heritiana. Hafatra nomeny ireo ankizy ny hananan’izy ireo fahendrena sy fahaizana ka hahatonga azy ireo ho fakan-tahaka amin’ny fitondrantena. “Anisan’ny mamiratra hatrany ny ankizy beazina eto amin’ny akany. Tokony hojerena akaiky kokoa ny fandraisan’anjara amin’ny fiahiana ny fiainan’ireo ankizy satria efa miakatra ihany koa ny vidim-piainana amin’izao”, hoy ity manamboninahitra jeneraly ity.
Jean Claude




