Fampianarana eto Madagasikara : tokony hifototra amin’ny tsenan’ ny asa ny fiofanana omena

Tanterahina any Paris, renivohitr’i La Frantsa, ny fivoriamben’ny Unesco faha-42. Mandray anjara amin’izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Razafindrianiaina Minosoa Elia.

Dinihina manokana nandritra ny fivoriamben’ny Unesco atao any Paris, ny 7 ka hatramin’ny 22 novambra izao, ny laharam-pahamehana ho an’i Afrika hisian’ny fanovana tsara sy ainga vao indray. Nivoitra nandritra ny fandraisana anjaran’i Madaga­si­kara ny filazana fa ny fampiharana ny lalàna mifehy ny rafi-panabeazana ankapobeny (Losem) no kihon-dalana lehibe ho an’ny fanabeazana eto Madagasi­kara.
Manomboka amin’ny kilasy garabola izany hatrany amin’ny fiofanana arakasa. Anisan’izany ny fametrahana ny ambaratonga fototra ho lasa 9 taona hahatsara fototra ny ankizy. Hananany fototra enti-miainga raha sanatria tsy afaka manohy fianarana intsony izy aorian’izay 9 taona izay. Maimaimpoana ary tsy maintsy zaraina ho rafitra 3 mazava tsara ny fampianarana. Mi­ken­dry ny hanatsara ny fahafa­han’ny rehetra miditra amin’ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ihany koa. Kendrena mba tsy hiraviravy tanana ny tanora aorian’ny fianarana sy fiofanana fa afaka manao zavatra ahafahany mivelona avy hatrany.
Ny rafitra fanofanana arakasa dia tokony hifanaraka amin’ny tsenan’ny asa misy ao amin’ny firenana. Toy ny eto Madagasikara dia mbola ny fambolena sy ny fiompiana no anisan’ny fototry ny fivelomana. Efa miitatra amin’ny sehatra maro anefa izany toy ny informatika, taotrano va­ven­ty, fandraisam-bahiny…
Marihina fa ity fivoriana atao any Paris ity dia ahitana ny fandraisan’anjaran’ny Fire­ne­na mikambana ao amin’ny Unesco. Malalaka ny fifampizarana traikefa ary fotoana hihaonan’ireo vaomiera sy federasiona ao amin’ny Unesco ny toy izao.

Tatiana A

Partager sur: