Miami Toamasina : nianoka ny hatsarany ny mponina

Miami Toamasina, tena raitra ny fotodrafitrasa izay hitondra ainga vao ho an’ny faritra Atsinanana. Misokatra ho an’ny daholobe ny faran’ny herinandro teo an-toerana izany. Fanajariana morondranomasina tsara indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity ao Toamasina ity raha ny fanazavana nentin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana.
Nisitraka ny zava-bitan’ny fanjakana ny mponina tao anatin’ny telo andro. Afa-po tamin’ny fisian’ny fotodrafitrasa ny rehefa ary tena nahita maso sy nianoka tanteraka teny an-toerana. An’aliny ireo mpitsidika tao anatin’izay telo andro izay. Maraina mandraka alina ny fitsidihana, tsy tapaka olona teny an-toerana. Hentitra ihany koa ny fampanajana ny fananana iombonana. Manjopiaka ny jiro manazava ny morondranomasina. Teo koa ireo toeram-pivarotana sakafo manara-penitra sy ara-pahasalamana nanome fahafaham-po ireo mpitsidika. Efa arifomba ny toerana natokana ho an’ny fako mba tsy hiparitahan’izany eny an-toerana. Toraka izany koa ny toeram-pivoahana maro. Hatreo ihany ny fitsidihana fa hiverina amin’ny fanohizana sy famitana ny asa manontolo ny tomponandraikitra.

Tatiana A

Partager sur: