Ritra ny loharano: nandatsaka orana ny meteo sy ny Jirama

Mikorontana ny famatsian-drano sy famatsiana herinaratra noho ny faharitran’ny loharano mamatsy ireo renirano amin’ny tanàna maro. Fanda­tsahana orana ihany anefa ny vahaolana, raha ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.
Ny 9 sy 10 novambra teo dia nanatanteraka hetsika fandatsahana orana ny meteo Madagascar sy ny Jirama, indrindra ireo toerana misy tohodrano sy milina famokarana herinaratra toy ny any Andekaleka sy Tsiazompaniry ary Mantasoa.
Mitaky fepetra maro ny ahafahana mandatsaka orana tsy voajanahary mba hahazoana vokatra tsara. Anisan’ izany ny fisian’ny karazana rahona «cumuliforme» izay manana endrika miavoavo. Ny sira no singa ampiasaina amin’ny fandatsahana orana artifisialy rehefa fotoam-pahavaratra mafana sy mando toy izao raha ny fanazavan’ny teknisianin’ny meteo hatrany.
Misokatra amin’ny sehatra isan-karazany ny meteo rehefa misy ny fandatsahana orana tsy maintsy hatao.

Mikasika ny toetry ny andro ao anatin’ny 3 andro kosa dia any amin’ny tapany avaratry ny Nosy sy Atsi­nanana no hisy orana tandrifin-drahona. Tsy hisy fiovana mahery vaika kosa ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hitohy ny hafanana saika manerana an’i Madagasikara.

Tatiana A

Partager sur: