Faritanin’i Toamasina: hiverina amin’ny tanjany ny FIZATO

Natao ny sabotsy teo, tetsy Analakely, ny fametrahana ny filoha vaovao, Rabe­mananjara Joseph Elire, hitarika indray ny fikambanan’ny zanak’i Toamasina (Fizato), mandritra ny 3 taona. Ma­namafy ny fisiany ny fikambanana mba ho hery fampandrosoana, hidinika amin’ny fanjakana, hitondra tolo-kevitra hamahana ny olana misy any amin’iny faritany iny. Ivon­dronan’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, sy Alaotra Man­goro, ary ny faritra vaovao heverina hitsangana, toa an’Ambatosoa ny Fizato.
“ Tanjona ny hampisy firaisan-kina ny zanak’i Toa­ma­sina ary hanambatra ny hery mihitsy hitondra fampandrosoana”, hoy ny ben’ny Tanà­nan’i Toamasina, Rakotoni­rina Nantenaina, anisan’ny nampifoha indray ny fikambanana.
Manan-karena ny faritanin’i Toamasina toy ny harena an-kibon’ny tany, ny vokatra fanondrana, ny voka-bary sy ireo fotodrafitrasa goavana toy ny seranan-tsambo… Tsy mifandraika anefa ny fandrosoan’ny seranana sy ny kaominina misy azy ka mila harindra izany.
“Mahavelombolo ny vina napetraky ny filohan’ny Fizato ary raha ireo zanak’i Toa­masina efa manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena ireo no mihetsika dia handroso ny faritanin’i Toama­sina”, hoy ny avy amin’ny Andriambo, tarihin-dRajaona­rivelo Pierrot.

Tatiana A

Partager sur: