Eto Madagasikara, any amin’ny faritra Sava, no manafatra lavanila ampiasaina amin’ny fanodinany sakafo ny orinasa iraisam-pirenena lehibe iray. Enin-taona no niara-niasa taminy ny orinasa “People power inclusion”, manana sampana aty amin’ny ranomasina Indianina ka i Marie Christina Kolo no talem-paritra.
Mitaky fepetra maro ny fandraisana vokatra hafarana avy any ivelany ka anisan’ny maha sarotiny ny orinasa mpandray ny lavanila malagasy ny fahafantarana fa tsy nampiasa ankizy ny tantsaha. Manomboka
amin’ny fambolena hatramin’ ny fikarakarana rehetra mialoha ny fanondranana izany. Manohana ireo fianakaviana maro misehatra amin’ny fambolena sy fanodinana ny orinasa. Maro amin’ireo ankizy no manampy ny ray aman-dreny amin’ny fihariany. Voalaza fa miasa mandritra ny 10 ora isan-kerinandro ireo ankizy latsaky ny 13 taona ary ny 61% amin’izy ireo tombanana fa manao asa mety hitera-doza ho azy, araka ny fanadihadiana nataon’ny orinasa. Ny 44% amin’ireo ankizy miasa, tsy misitraka karama na mahazo ihany fa karama ambany raha mitaha amin’ny karama farany ambany tokony homena ny mpiasa (Smig). Manohana ireo fianakaviana hioitra amin’ny fiainana tsy hampiasa ireo zanany ny orinasa satria vonona ny handefa an-tsekoly ireo ray aman-dreny fa tsy ampy ny hoenti-manana, araka ny fanazavan’ ny talem-paritra. Hiara-hiasa amin’ny ankizy voafonja koa ny orinasa, matetika lasa migadra tsy fidiny izy ireo satria voairaka mangalatra lavanila rehefa tonga ny fotoam-piotazana. Misy ny orinasa manaja ny zon’ny ankizy satria miorina eny anivon’ny fiarahamonina ary mampiasa fianakaviana manan-janaka ihany koa. Nampahafantatra ny hetsika ataony miaraka amin’ireo tantsaha mpamboly lavanila ny mpiandraikitra ny orinasa omaly, teny Anosy, ao anatin’ ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy, nokarakarain’ny Unicef.
Vonjy A.




