Fitsarana – Toamasina : olona enina voaheloka asa an-terivozona dimy taona

Miraradraraka sahady ny fanamelohana amin’ny alalan’ny sazy henjana ao Toamasina. Nanomboka omaly ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava andiany faharoa.

Ho an’ny andro voalohany, enina ny antontan-taratasin’ady notsaraina, nahitana olona voampanga miisa 20 mianadahy. Ny antontan-taratasin’ady laharana faha-155-Toa/23-4180-RP/22, anenjehan’ny fitsarana an’i Lesabotsy Berthin sy Randrianasolo Berthin ary Marc Thaurien amin’ny loham-panenjehana ho nanao fikambanan-jiolahy sy fanafihana mitam-piadiana namaky trano tao Antanandava Toamasina, ny 24 desambra 2022. Very nandritra io fanafihana io ny moto roa ary naharatrana ny tompon-trano vokatry ny fifandonana tamin’ireo jiolahy. Taorian’ny fifandaharana teo amin’ny mpitsara sy ny mpiaro ny voampanga, tsy naharesy lahatra ny mpitsara ny fandaharan’ny fiarovana. Vokany, nilatsaka ny didy fanamelohana asa an-terivozona dimy taona ho azy telo lahy voampanga. Nambaran’ny mpitsara fa efa jiolahy raindahiny amin’ny halatra moto sy vaky trano arahina fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo.
Antontan-taratasin’ady faharoa nisian’ny didim-pitsarana henjana koa ny laharana faha-81-Toa/23-3365-RP/21, anenjehan’ny fitsarana an’i Paul Frederic sy Razana Mau­rice Jocylin ary Fatonio, enjehin’ny fitsarana amin’ny loham-piampangana ho nanao halatra nampiasa fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana, ny 21 avrily 2021, tao Toamasina. Raha hiverenana ity raharaha ity, novakin’ireto jiolahy ireto ny magazay an’ny teratany karana iray tamin’io fotoana io. Lasan’ izy ireo tamin’izany ny kojakoja fampiasa amina moto. Tratra teo am-pivarotana kojakojana moto anefa ny jiolahy iray. Tohivaka ny fisamborana taorian’izay, nitohy tamin’ny fisavana ny tranon’izy ireo. Hita tao avokoa ireo entana halatra rehetra. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny fifandaharana. Nilatsaka ny didy ka izao niafara tamin’ny asa an-terivozona an-tranomaizina izao.

Sajo

Partager sur: