Raha ny vinan’ny USAID Madagasikara dia olona miisa 675 000 no hisitraka toeram-pivoahana fototra amin’ny taona 2027. Nisongadina izany nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny toeram-pivoahana ny alahady teo. Amin’izao fotoana, mbola mahatratra 419 tapitrisa ny olona manao maloto ankalamanjana. Olona maherin’ny 3,5 lavitrisa manerana an’izao tontolo izao no tsy afaka misitraka toeram-pivoahana azo antoka.
Mandoto loharano ny fanaovana maloto ankalamanjana. Raha tsy misy toeram-pivoahana azo antoka, noho izany, dia tsy afaka misitraka ny tombontsoa ara-pahasalamana tokony ho azo avy amin’ ny rano fisotro madio ny olona. Tsy haitraitra ny fampiasana toeram-pivoahana fa tena hiadiana amin’ny krizy ara-pahasalamana maneran-tany mihitsy raha ny nambaran’ny USAID Madagasikara.
Anisan’ny firenena nosafidin’ny governemantan’i Etazonia ho laharam-pahamehana amin’ny vina Rano ho an’izao tontolo izao i Madagasikara. Vaindohan-draharaha, noho izany, ny fahafahan’ny vahoaka malagasy misitraka toeram-pivoahana tomombana. Eo koa ny fampiharana ireo fitondran-tena fototra mivoy fahadiovana mba hanatsarana ny fahasalaman’ny mponina sy ny fahaizan’izy ireo miatrika fotoan-tsarotra.
Tatiana A




