Zon’ny zaza : tsy manana politika mazava i Madagasikara

34 taona ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny zaza ankehitriny. Nankatoa sy nanao sonia izany i Madagasikara ny taona 1991. Mbola mampametra-panontaniana ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misahana ny ankizy (PFSCE) ny finiavan’ny fanjakana hametraka ho laharam-pahamehana ny ankizy amin’ireo fandaharanasan’ny fanjakana.
Tsy mbola manana politika fiarovana ny zaza rahateo isika hatramin’izao. Voalazan’ny Vovonana fa mahazo vahana ny fanamby vaovaon’ny teknolojia maoderina izay mifandray
amin’ny faharavan’ny rafitry ny fianakaviana. Ilaina ny fiarovana ny ankizy amin’ny heloka bevava anatin’ny tambajotran-tserasera ka tokony havaozina ny lalàna sy ny politika ahafahana manao izany.
Anatin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zaza omaly, manaitra ny tomponandraikitra ny Vovonana
amin’ny zo fototra dimy tokony ho sitrahan’ny ankizy izay be­tsaka no tsy tomombana amin’izao fotoana. Ny toe-draharaham-pirenena sy ny sosialy ary ny toekarena rahateo manelingelina tsy ahafahana manatanteraka ny fampanajana ireo zo fototra ireo.

Vonjy

Partager sur: