Andriamahatana Manuela Christophère: tsy Covid-19 fa gripa ny mahazo ny olona

Tsy valanaretina covid-19 io miparitaka mamely ny olona tonga mameno toeram-pitsaboana amin’izao io, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanazava izany indrindra ny tomponandraikitra, Andriamahatana Manuela Christophère, tale misahana ny andri­maso ara-pahasalamana sy ny fanaraha-maso ny valanaretina sy ny loza mety hitranga (DVSSER), etsy Mahamasina.
Aretina gripa vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro no miparitaka amin’izao fotoana. Voaporofo amin’ny alalan’ny fitiliana ataon’ny CSB, raha misy ny trangana covid fa hatramin’izao dia gripa no mahazo ny marary, raha ny fanazavana hatrany.
Mila manatona tobim-paha­salamana hatrany anefa fa tsy tokony hohamaivanina ny aretina. Mety hiafara amin’ny fahafatesana ny tsy fitsaboana izany rehefa tena mihombo ny aretina, indrindra ho an’ny zaza sy ny ankizy izay soka­jina ho marefo.
Mila hamafisina ny fiarovan-tena. Fanajana ny elanelana 1 metatra, fanasana tanana matetika amin’ny savony ary ny fametahana arovava orona, indrindra ho an’ireo olona tsy salama mba tsy hamindra amin’ny hafa.
Mitovitovy ny soritraretina gripa sy ny Covid ka izay no mahatonga ny olona avy ha­trany dia mandika hoe covid-19 no mahazo azy. Ny fitiliana ihany anefa no manaporofo izany.

Tatiana A

Partager sur: